- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversNosy Be : Mitaky ny hisokafan’ny sisintany ireo mpandraharaha

Nosy Be : Mitaky ny hisokafan’ny sisintany ireo mpandraharaha

Very fanahy mbola velona ! Io no azo amehezana ny zava-manjo ireo mpisehatra ao anatin’ny fizahantany ao Nosy Be raha ny nambaran’ny talen’ny filankevim-pitantanana ao amin’ny Ofisy rezionalin’ny fizahantany ao Nosy Be , Tatatsiresy Sonny. Hatramin’ny nikatonan’ny sisin-tanin’i Madagasikara ho an’ireo mpizahantany dia mandohalika tanteraka ity sehatra iray ity raha ny nambaran’ity tompon’andraikitra ity hatrany. Ireo hotely lehibe no tena lasibatra amin’izany satria ny ankabeazan’izy ireo dia saika mandray ireo mpizahantany avy ao Italie , France, La Reunion ary Allemagne. Ireto farany izay mandrafitra ny 90% n’ny tsena iraisam-pirenena amin’ny lafiny fizahantany. Ankehitriny, miantso vonjy ireo mpisehatra amin’ity sehatra ity ny mba hanokafana ny sisintany. “Ny vaksiny dia lalana iray hahafahana manokatra ny sisin-tany ary efa nisy ny fanaovana vaksiny faobe ireo mpisehatra eo amin’ny lafiny fizahantany. Marina fa misy ny “variant Delta” saingy tsy tokony hatahotra izany isika. Toy ny any amin’ny firenena hafa , dia ireo vita vaksiny ihany no tokony mahazo alalana miditra eto an-toerana”, hoy hatrany ny fanazavana izay noentin’I Tatatsiresy Sonny.

Fanamafisana fepetra. Na eo aza izany fitakiana izany dia tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra. “Na titsika na tsy titsika dia tokony miara miaina sy mianatra miaina miaraka amin’ny coronavirus isika. Anjaratsika kosa no maka ny fepetra mifanaraka amin’izany mba hiarovana ny isam-batan’olona”, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Nampatsiahy ihany koa ny tenany fa 23 tamin’ireo 5800  mpandeha fiaramanidina  nanaovana fitiliana no voalaza fa voan’ny Covid-19 teo anelanelan’ny oktobra 2020 ka hatramin’ny febroary 2021. Tsy ireo mpisehatra mivantana amin’ny sehatry ny fizahantany ihany no lasibatra amin’ny fikantonan’ny sisintany fa na  ireo  mpandraharaha manodidina ity sehatra ity  ihany koa dia voalaza fa miandrandra ny fisokafan’izany sisintany izany.

Faty antoka. Niteraka voka-dratsy maro teo amin’ny fiharian’ny mponina ao Nosy Be ity fikatonan’ny sisintany ity. Raha ny fanambarana nataon’ny  Ofisy rezionalin’ny fizahantany ao an-toerana hatrany dia nidina hatrany amin’ny fito arivo ariary ny kilaon’ny makamba raha toa ka roa alina hatramin’ny dimy arivo sy roa alina izany teo aloha. Miandrandra araka izany ireo mpikirakira ity sehatra ity ny mba hisokafan’izany sisintany izany satria efa maro ireo fiofanana nomena ireo sehatra maro samihafa toy ny trano fisakafoanana , trano fandraisam-bahiny sy ny maro hafa mba ho fiomanana amin’ny ady atao amin’ity valan’aretina ity.

Narindra Rakotobe

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici