Teratany iray indray no hita faty tao Nosy Be, ny alahady lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny zandary, dia ireo mponina no nahita azy nihantona tao an-tranony tao Antsoha, Dzamandzar, ny hariva tokony ho tamin’ny dimy tany ho any. Mbola tsy fantatra mazava hatreto ny zava-misy, raha ny fanazavana azo hatrany na vono olona ity nitranga ity na famonoan-tena tsotra izao. Ny hany fantatra dia hoe : nisakaiza tamina tovovavy iray 22 taona tao an-toerana ity teratany vahiny ity. Tsy maintsy amin’ny alàlan’ity farany ity ihany araka izany no ahafantarana ny rehetra. Efa manokatra ny fanadihadiana ary mikaroka ity tovovavy ity rahateo amin’izao, ireto mpitandro filaminana any an-toerana, raha ny fantatra.
m.L