- Publicité -
mardi, juin 24, 2025
AccueilFaits-DiversNosy-Be : Vazaha mpanao vola sandoka sy visa voasambotra

Nosy-Be : Vazaha mpanao vola sandoka sy visa voasambotra

Teratany frantsay izy raha araka ny fanamarinam-baovao natao. Manodidina ny 30 taona eo ilay lehilahy ary noho ny fanaovana vola sandoka no antony nisamborana azy. Efa narahi-maso izy hatry ny elaela, raha araka ny fanazavan’ny pôlisy, ary teo am-pividianana entana teo amin’ny tsenan’i Bazaribe no voaporofo ny asaratsiny. Vola sandoka no nampiasainy ary izany dia nanamafy ny ahiahin’ny mpanao fanadihadiana izay nangataka tamin’ny fampanoavana ny hisavàna ny tranony. Rehefa notontosaina izany dia mainka koa nitombina ny noeritreretina. Nahitàna vola sandoka tao an-tranony. Ary tsy ravin’ariary ihany izany fa nisy devizy uros ihany koa. Raha araka ny tatitry ny pôlisy dia nitentina 2.565.000 ariary sy 1.830 euros no hita voalohany. Mitovy avokoa ny laharan’ireo vola ireo ary izany dia porofo mivaingana ny amin’ny maha-sandoka ireo ravim-bola. Rehefa noisaina dia mitentina 252 ny isan’ireo vola ariary izay iray alina avokoa, ankoatra ny dimy arivo izay niisa 13. Ny tena nahatalanjona ny mpanao fanadihadiana dia ny nisian’ny euros maromaro sandoka, izay vitan’ity vazaha ity. Nisy ravim-bola 50 euros izay niisa 34, 20 euros niisa efatra ary 10 euros niisa folo. Tsy vitan’izay fa rehefa nosavaina ihany koa ny taratasin’ity vahiny ity dia hita fa sandoka ny visa nampiasainy ary izany, raha araka ny loharanom-baovaon’ny mpitandro ny filaminana, dia mety ho izy ihany no nanamboatra azy. Mazava izany fa tsy voatery ho ny Gasy ihany no fanetribem-pirenena amin’ny fanaovana sy fampiasana sandoka eto amin’ny firenena. Ary matoa izy mahavita zavatra ratsy toy izao dia inoana fa vazaha efa nitsoaka sy nenjehina tany amin’ny fireneny tany. Tsiahivina fa sazy an-terivozona mandra-pahafaty, raha araka ny lalàna manan-kery eto amin’ny tanindrazana, ny sazin’ny mpanao vola sandoka. Asa raha hihatra amin’ity vahiny ity izany na tsia.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici