- Publicité -
mercredi, mai 21, 2025
AccueilFaits-DiversNosy Komba : Tsy mbola voafehy ny afo, marobe ny fahasimbana, may...

Nosy Komba : Tsy mbola voafehy ny afo, marobe ny fahasimbana, may ny ala

Ny alarobia 21 septambra teo, nirehitra ny ala ao amin’ny Nosy Komba any Nosy Be tokony ho tamin’ny 10 ora  antoandro. Faran’izay sarotra anefa ny ady amin’ny afo noho ilay toerana any antendrobohitra. Ny lohranom-baovao no nahalalana fa raha nahita ny firehetana ny manodidina dia tsy niraika tamin’ny fahitana ny afo. Efa tamin’ny 3 ora tolakandro vao samy nikoropaka ny mponina ary nifamotoana hamonony afo. Ny alakamsy teo, nidina teny an-toerana ny tomponandrikitra isan-tsokajiny nizaha ny zava nisy. Na dia nanao ny ho afany aza anefa ny rehetra tonga teny amin’ilay toerana dia tsy nahafaka firy. Ny aty ala no nirehitra, hoy hatrany vaovao fantatra. Tery dia tery ny lalana mandeha eny amin’ilay toerana, feno haram-bato ary tsy misy rano akaiky. Taorin’izany, nahatsapa ny fokonolona fa sarotra ny mifehy ny afo. Tamin’ny resaka re teny an-toerana, hoy hatrany vaovao, manahy mafy fa tao nisy ihany ny nanao fanahy niniana nandoro ity ala voajananahary ity. Soa ihany, araka ny loharanom-baovao, tsy nisy ny trano may na olona naratra. Etsy andaniny kosa anefa, maro dia maro ny voly simba toy ny fambolena « poivre », kafe, katakata sy ny zavatra hafa nambolena tamin’ilay faritra nirehitra ary mampalaza azy.  Hatramin’ny omaly, tombanana eo amin’ny 4 ha eo ny velaran-tany simban’ny afo. Raha mitohy anefa ny fahamaizana dia tsy mbola fantatra izay ho tombam-bidin’izay ho rava tanteraka.

J.C. Velomana

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici