- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversNosy Varika : Trano miisa 284 kila forehitry

Nosy Varika : Trano miisa 284 kila forehitry

Saika afo tsy voatandrina avokoa no niandohan’ny loza. Nitrangana hain-trano goavana roa sosona nahatsiravina tany amin’ny Distrikan’i Nosy Varika, Faritra Vatovavy, ny alatsinainy sy talata teo, ka trano miisa 284 tafo no may kila forehitry ny afo tamin’izany. Trano miisa 212 tafo no may hotohoton’ny afo, tao amin’ny Fokontany Angodongodona, ny alin’ny 22 novambra teo, tokony ho tamin’ny 11 ora sy 23 minitra. Noho ity hain-trano ity, miisa 911 ireo tra-boina tsy manan-kialofana ary an-jatony tapitrisa ny fahavoazana. Trano miisa 72 tafo kosa no lasa lavenona tao an-tanànan’ Andonaka, ny antoandron’ny 23 novambra, tokony ho tamin’ny 12 ora sy 42 minitra teo no nitrangan’ny loza, araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana. Mba hifehezana ny afo tsy hihitatra tamin’io fotoana io, dia trano miisa 12 tafo no tsy maintsy noravaina, ary maherin’ny 200 ny isan’ireo tra-boina. Raha tsiahivina, 7 km miala ao Nosy Varika renivohitry ny Distrika ny misy ny Fokontany Andonaka izay azon’ny fiara soa aman-tsara, raha tsy azon’ny fiarakodia haleha kosa ny tanànan’ Angodongodona, fa dia tongotra 12 ora miala ao Ampasinambo no mankany. Miantso vonjy amin’ny Fitondram-panjakana sy izay malala-tànana avokoa ankehitriny ny mponina tra-boina amin’ireo toerana roa voalaza ireo.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici