- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversOfmata : Tsy mbola voaloa ny vidim-paraky

Ofmata : Tsy mbola voaloa ny vidim-paraky

« Dimy volana aty aoriana, tsy mbola nisy voaloa ny vidim-parakinay izay ny orinasa Ofmata no mpanjifa an’izany », raha araka ny fitarainan’ireo tantsaha mpamboly paraky. Maro izy ireo no voakasik’izany manerana ny faritra samihafa, raha ny fanazavan’ireo tantsaha solon-tena hatrany. « Efa nanomboka ny volana novambra tamin’ny taon-dasa no nanateranay ny vokatra teny amin’ny orinasa Ofmata kanefa hatramin’izao dia tsy mbola nisy vola azonay », raha ny fitarainana. Manampy trotraka izany koa ny fisian’ireo mpiasa mpanao paraky izay mbola tsy nandray ny karamany efa amam-bolana maro. Izay rehetra izay no nitambatra no nahatonga ireo tantsaha  hanaitra ny sain’ny tompon’andraikitra isan-tokony, notsipihan’izy ireo manokana ny minisitry ny fambolena ary koa ny toe-karena ary koa ny Filoha mba hijery akaiky ity olana mianjady amin’ny tantsaha ity. « Mijaly ny mpamboly paraky, indrindra amin’izao fotoana iatrehana ny ady atao amin’ny valan’aretina covid-19 izao. Tsipihanay fa mbola tsy nisy olana toy izao tao anatin’ny folo taona », hoy hatrany ireo tantsaha.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici