mercredi, avril 23, 2025
AccueilFaits-DiversVakinankaratra / Fizahan-tany : Olana ny fahalafosan’ny tapakilan’ny fiara manidina hoy ny Madagascar Magic...

Vakinankaratra / Fizahan-tany : Olana ny fahalafosan’ny tapakilan’ny fiara manidina hoy ny Madagascar Magic Tours

Rakotonirina Elie Jean Mpitantana ny MMT

Afahana mampandroso tsara an’ny Madagasikara ny fizahan-tany satria manan-karena  zava boahary  tsy fahita raha tsy eto amin’ny Nosy ny tanintsika, ankoatry ny maha Nosy azy. Na ny eco-tourisme, na ny tourisme villagois dia samy mitondra fampandrosoana eny ifotiny avokoa satria ny fitsidihana any ifoton’ireny toeram-pizahantany ireny no tena ahitana ny tena zava misy marina sy ny ati-vilan’ny mponina sy izay mety ho filan’ilay toerana. Tsy mijanona fotsiny amin’ny maha tours opérateur azy ny Madagascar Magic Tours na MMT fa mitondra fanampiana eny ifotony amin’ny alalan’ny fitondrana ireo mpizahan-tany. Saika misy ny MMT avokoa rehefa “circuit” misy eto Madagasikara, na eto Antsirabe aza no misy ny foibeny saingy ny faritra Andrefana no tena maro mpizahan-tany raha ny nambaran’I Rakotinirina Elie Jean mpitantanana ny MMT. Maro karazana ireo teratany vahiny tonga mitsidika an’ny Madagasikara fa ny teratany Norvezianina no maro an’isa miara miasa amin’ny MMT.Mbola misy fiantrakany ratsy amin’ny resaka fizahan-tany ny valan’aretina Covid tamin’ny taona 2019-2020  hatramin’izao, eo ihany koa ny  tranga tsy fandriam-pahalemana nisesisesy, manimba sy mamotika ny fizahan-tany ny zavatra tahaka ireny. Fa tena sakana lehibe tsy mampandroso  ny fizahan-tany ny fahalafosan’ny tapakilan’ny fiara manidina na anatiny izany na ivelany. Raha tiana ny hanatratrarana ilay tanjona napetraky ny fitondrana, miandry mpizahan-tany 1 tapitrisa dia ny saran’ny tapakila amin’ny fiara-manidina no mila jerena akaiky hoy hatrany  ny MMT. Manamarika ny faha 10 taona nisiany ny MMT amin’ity taona ity , nanambara ny mpitanana fa hahazo fihenam-bidy 10% izay manao famandrihan-toerana amin’izao faha 10 taona izao.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici