- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversOlona 107 nosamborina : Basy 47 nogiazana, kalachnikov sy PA no betsaka

Olona 107 nosamborina : Basy 47 nogiazana, kalachnikov sy PA no betsaka

Tao anatin’ny telo volana monja no nahazoana fitaovam-piadiana samihafa. Kalachnikov enina, poleta dimy, poleta vita gasy 17, basim-borona 20 ary fitaovana fanamboarana bala, akora simika chlorate de sodium 210 kilao ary bala  136. Io ny tatitry ny zandary mahakasika ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana eto amin’ny Nosy. Olona  107 no nosamborina noho ny fitazonana sy fampiasana ireo basy ireo, na koa noho ny firaisana tsikombakomba na fanafenana ireo olona tompon’antoka tamin’izany. Fanafihan-jiolahy 75 no voafaritra fa nampiasana ireo basy. Io tarehimarika io dia manamarina fa miparitaka ny fitaovam-piadiana ary isan’ny mampirongatra ny asan-jiolahy na izany an-tanan-dehibe na koa any amin’ny tontolo ambanivohitra izany antony izany. Manana basy hatrany ny jiolahy rehefa hanatontosa ny asany. Vao omaly ohatra, tany Toamasina renivohitra no nirefodrefotra ny basy nandritra ny fanafihana. Ary izany dia teo ambany mason’ny mpianatra sy ny mpandalo teo an-toerana. Isan’ny tranga faramparany, ary isan’ny nanaitra ny mason’izao tontolo izao aza, ny fitazonan’ny zaza tsy ampy taona basy kalachnikovs tany amin’ny Faritra Haute-Matsiatra. Tafiditra  ao anatin’ny andian-jiolahy izy ireo ary raha tsy voasambotra dia asa izay mety hadalàna vitan’ireo zaza ireo. Andrandrain’ny maro ankehitriny ny valim-panontaniana ny amin’izay tena nivoahan’ny basy. Ankoatry ny vita gasy mantsy dia saika kalachnikov sy PA avokoa no miparitaka. Teto an-drenivohitra, vao tsy ela akory izay, dia nisy tompon’ny toeram-pisotroana toaka izay mivarotra basy ary nidoboka eny Tsiafahy. Nandritra ny fanadihadiana azy no nanondroany mpitandro ny filaminana izay nanome ny basy. Handrandraina hatrany ny fivoaran’ny fanadihadiana mba ho tena ady amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana no mitranga.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici