mercredi, avril 23, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra tamina tetikasam-panjakana : Olona efatra voasambotra tetsy Ambohimangakely

Halatra tamina tetikasam-panjakana : Olona efatra voasambotra tetsy Ambohimangakely

Nahavita namoaka fiara mihitsy izy efa-dahy hitondra ireto entana halatra

Nitondran-dry zalahy « sprinter fourgon » mihitsy hitondràna ireo entana halatra. Vy amin’ny taonina maromaro tokoa mantsy, toy ny « cable », « pilier », « support » isan-karazany, « fer plat », « fer corner », ary « fer rond » no tafavoakan’ireto olon-dratsy ireto tetsy amin’ny toby fitoeran’entana iray etsy Amoronakona, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Soa ihany, nandamoka ny  « opération » fa nisy nahita ny afera. Araka ny fampitam-baovao dia tao anatin’ny fisafoana iny toerana iny mihitsy ireo zandary avy eo anivon’ny tobim-paritra Ambohimangakely no nahazo antso tamin’ireo mpiambina ity toerana ity. Ity farany moa izay tsy inona fa toby fitoeran’entan’ny orinasa iray, nahazo ny tolotr’asa hanamboarana toby famokarana herinaratra lehibe eto Antananarivo, izay mazava ho azy fa tetikasam-panjakana, hanampiana ny herinaratra mamatsy ny renivohitra. Tsikaritra teo am-pamoahana ireo karazam-by ireto ireto andian’olona ireto ka natonon’ireo mpiambina. Nitsoaka avy hatrany moa izy ireo ary raikitra ny fifanenjehana. Tsy lasa lavitra ny efatra fa voasambotra soa aman-tsara, tafaporitsaka kosa ny naman’izy ireo efa-dahy ihany koa. Ary tavela teo ny fiara nokasain’izy ireo hitondràna ireo entana halatra, efa saika entana halatra maromaro tao anatiny. Nogiazana avy hatrany moa ity fiara ity raha nentina notanana natao andrimaso kosa izy efa-dahy voasambotra ireto. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo tafatsoaka, raha ny vaovao hatrany

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Raha mbola io ny toe-tsaina tazaina; aza gaga rahampitso raha miamavesatra ny ziogam-pahantrana sy ny lanja midina.
    Mijotso tsara !

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici