jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversFanondranana volamena : Omena fankasitrahana izay mahatratra

Fanondranana volamena : Omena fankasitrahana izay mahatratra

Isan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra omaly ny mahakasika ny ady amin’ny fanondranana volamena. Nangatahin’ny Filoham-pirenena ny anaran’ireo mpiasan’ny ladoany izay nahasarona ny fikasàna hanondrana volamena milanja 53,7 kilao tetsy Ivato ny 23 desambra lasa teo, izany dia mba hanomezana fankasitrahana manokana ho azy ireo. Nanentana koa izy fa omena fankasitrahana izay tompon’andraikitra rehetra hahasarona tranga hafa amin’ny fanondranana harem-pirenena. Tao anatin’ny filankevitry ny minisitra no nahafantarana fa mbola nikasa ny hanao kolikoly tamin’ny lehiben’ny ladoany ilay mpiasan’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny tamin’ny voasambotra. Tsy nahomby anefa izany ary dia izy io nidoboka eny Tsiafahy io. Nandeha ny toromarika manokana omaly ny hanaovana hazalambo ireo izay mbola miriaria kanefa tao anatin’ity tambajotra ity. Nanazava ny minisitry ny raharaham-bahiny fa nisy ny fepetra fampahafantarana ny firenena manodidina ny mba hisamborana avy hatrany ireo olona ireo raha sendra nitsoaka any izy ireo.

D.R   

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici