Ankoatra ny zo fototra amin’ny maha ankizy azy, dia mananjo fototra hafa ihany koa ny ankizy manana fahasembanana, ary tokony hisitraka izany. « Mbola maro eto amintsika ny ankizy manana fahasembanana no iaharan’ny herisetra sy ny fanilikilihana eo anivon’ny fianakaviany sy ny fiarahamonina », hoy ny fanazavan’ny filoha mpanorina ny ONG MERCI, Rakotorisoa Holiniana. Nisy ny tranga nahavoaolana ankizy manana fahasembanana. Teo ihany koa ny famonoana azy ireny. Antom-pisisan’ny tetikasan’ny ONG iarahana amin’ny Unicef ny fiarovana ny ankizy manana fahasembanana sy ny fampiatiana azyireo eo anivon’ny firahamonina. Tetik’asa haharitra herintaona eo izy ity ary ny tanjon’ity tetikasa ity dia ny hanafoana ny fanilikilihana an’ireo ankizy ireo eny anivon’ny fianankaviana ary eny anivon’ny fiaraha-monina sy ny sehatra samy hafa.
« Ny olona manana fahasembanana dia tokony handray anjara feno amin’ny fiainam-piarahamonina, tsy voahilikilika satria olona manana ny zo amin’ny mahaolombelona. Tanjona ny ametrahana ny zoan’ny ankizy manana fahasembanana ireo eo amin’ny sehatra fanabeazana amin’ny endriny samy hafa, ny fahasalamana, ny sosialy, fiarovana azy amin’ny herisetra, fisitrahany zo amin’ny fialamboly, fanatanjahantena », hoy ny fanazavana.
Ny ONG dia miaro ny zon’ny ankizy manana fahasembanana amin’ny herisetra ara-moraly, ara-batana. Ampiana ny ray aman-drenin’ireo zaza sembana satria maro amin’izy ireny no sahirana amin’ny fikarakarana sy fitaizana ny zanan y ». Ankizy 50 sahanin’ny ONG amin’ity tetikasa ity ary efa tafiakatra 80 ireo na vao manomboka aza, izay avy eto amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra avokoa. Ny UNICEF sampana fiarovana ny ankizy Analamanga no mamatsy ny tetikasa. « Ny UNICEF dia mametraka ny fitovian-jo eo amin’ny akizy rehetra na manana fahasembanana na tsia. Paikady napetraky ny UNICEF ahafany manatratra ny tanjony amin’ny resaka fampiatiana. ny serasera sy adi-sisika mba ahafahana miady amin’ny fanilihana ara-tsosialy mihatra amin’ireo ankizy manana fahasembanana », hoy Razafinjatovo Sitraka, mpitarika ny sampana. Manome fiofananaireo tambazotra miaro ny zon’ny ankizy sy ny ivotoerana mpandray ankizy. Ankoatra izany ny fampahafantarana sy fanomezana fahalalana an’ireo ray aman-dreny amin’ny fanaovana vaksiny polio, isorohana sahady ireo endrika fahasembanana mahazo ny ankizy. Eo ihany koa ny fanampiana ara-tsakafo ialana amin’ny tsy fahatomombanana.
Yv Sam




