- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversOniversitén’ i Vontovorona : Bizina vy sy alu, misy tompon’andraikitra ambonin’ny tranon’ny...

Oniversitén’ i Vontovorona : Bizina vy sy alu, misy tompon’andraikitra ambonin’ny tranon’ny mpianatra voarohirohy

Tsy fiangonana, tsy fianarana dia samy iharan’ity halatra vy sy “aluminium” ity avokoa. Ny herinandro lasa teo aza, voasambotra ireo olona mpangalatra vy sy “alu” eny amin’iny oniversitén’ny Vontovorona iny. Misy maromaro izy ireo no voarohirohy tamin’ity raharaha ity, ary anisan’izany ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny sampan-draharaha misahana ny trano fonenan’ny mpianatra, eny Vontovorona raha ny fanazavàna azo avy amina tompon’andraikitra ambony amin’ny Oniversitén’Antananarivo. Ny herinandro lasa teo izy ireo no tratra teo am-pitaomana ireo vy aman-taoniny maro, teny an-toerana. Fiarabe iray mihitsy no ampiasain’ireo olona ireto amin’izany fa efa niverimberina imbetsaka ihany, raha ny fanazavàna azo hatrany. “Efa ela tokoa, raha ny tatitra azonay no nisian’io fangalarana vy sy “alu” ao amin’ireo “amphi” ao Vontovorona ireo, saingy izao fa tratra ny tompon’antoka amin’izany” hoy hatrany ity tompon’andraikitra ambony ity tafaresaka taminay. Ny alahady 24 jolay izy ireo no sarona rehefa nosavaina ny kamiô nentin’izy ireo, izay nivoaka tao amin’ny faritry ny Oniversité. Tsy nazavazava tokoa tamin’io fotoana io ny fihetsik’ireto olona ireto ka voatery nampandre ny zandary ireto tompon’andraikitra. Tamin’ny fanadiadiana raha ny fantatra no nanondron’ireto mpitondra an’ilay fiarabe fa ilay tompon’andraikitra misahana ny fonenan’ny mpianatra no nanome alalàna ireto farany haka ireo vy ireo. Izay marihana, fa tsy nisy firesahana akory tany amin’ny tompon’andraikitry ny Oniversitén’Antananarivo. “Na dia teo aza ny saika hoe hanaovan’ireo voarohirohy raharaham-pihavanana dia tsy afaka ny handefitra amin’izany ny Oniversiten’Antananarivo, fa tsy maintsy hampiakatra ity raharaha ity” hoy hatrany ny fanazavàna. Raha ny fantatra dia androany no atolotra hohenoina eny anivon’ny Fampanoavana ireo olona voarohirohy amin’ny resaka halatra vy sy “alu” teny Vontovorona ireto.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici