- Publicité -
vendredi, novembre 13, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversOniversiten’i Barikadimy Toamasina : Nitsidika ny fanavaozana natao ny solon-tenan’ny banky iraisam-pirenena

Oniversiten’i Barikadimy Toamasina : Nitsidika ny fanavaozana natao ny solon-tenan’ny banky iraisam-pirenena

Ny fiandohan’ny herinandro teo dia tao amin’ny oniversiten’i Toamasina Barikadimy ny filoha lefitry ny banky iraisam-pirenena misahana ny lalana sy ny etika Rtoa Lisea Rosen, niaraka tamin’ny solontena maharitra eto Madagasikara Atoa Atou Seck, niaraka tamin’ny delegasionin’ny FID sy ny mpandrindram-paritra amin’ny fanarenana ny tananan’i Toamasina taorian’ny rivodoza Gezani.

Isan’ny notsidihan’izy ireo satria isany nahazo famatsiam-bola goavana taminy vokatry ny fahasimbana taorian’ny rivodoza Gezani ny oniversite Barikadimy Toamasina. Nandray ireto degesionina ireto ny filoha lefitra misahana ny fampianarana sy ny fikarohana ny oniversite, Rtoa Caroline Feno Pierre ; ny filoha mantsy mbola any ampitan-dranomasina. Notsidihana anandritra izany tao amin’ny oniversite ny fanamboarana sy fanarenana natao rehetra taorian’ny fahapotehana taorian’ny Gezani, isan’izany ireto efitranom-pianarana simba sy ny efitranon’ny mpianatra rava ary ireo efitrano samy hafa ny mpanabe sy ny mpitantana simba. Nisy ihany koa ny fanomezana antoka ny oniversite amin’ny fahafahana manohy ny fampianarana no tanjona tamin’izao ; ary ahafahana manohy tsy amin’ny tahotra sy ahiahy ny fanabezana ireo tanora Malagasy misafidy ny Barikadimy Toamasina.

Isan’ny notsidihana tamin’izany ny fanarenana ny « Demi-Tonneau » sy ny efitra nomerikan’i Oniversite. Araka ny fantatra dia mitohy ny fanarenana atao amin’izany amin’ny fanatsarana ny tafotrano sy ny lokon’ny trano izay saika efa vita ; nefa nanambara ny FID fa ny volana desambra ho avy izao dia ny fampitaovana ny « tables-bancs » indray no atao ao anatin’izany efitrano vao vita sy narenina izany. Fantatra ihany koa fa tsy ny tontolon’ny trano sy efitrano simban’ny rivodoza ihany no harenina, fa eo ihany koa ireo tontolo manodidina ny oniversite. Natao izany hanomezana tontolo mendrika ireo mpandranto fianarana ao Barikadimy.

Nisaotra ny banky iraisam-pirenena tamin’ny fanampiana ny fanarenana ny oniversiten’i Toamasina, ireo olona manankaja maro niara-dia tamin’izy ireo nijery ny foto-drafitrasa narenina marobe. Velom-pisaorana ny oniversiten’i Toamasina, ary mbola miandrandra ny fiaraha-miasa amin’ny fanohanana azy ireo ankehitriny.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici