Araka ny fandaminana teo anivon’ny oniversiten’i Toamasina Barikadimy, noho ny fanaoahan-kevitra nataon’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, fa amin’ny volana aprily ity no manao fifidianana ny oniversite Malagasy, dia natao ny alakamisy teo ny fifidianana ny filohan’ny oniversiten’i Barikadimy.
Kandida roa izay samy avy ao amin’ny sampampianarana DEGMIA avokoa no niatrika ny safidin’ny mpandraharaha niisa 264 sy ny mpampianatra mpikaroka mpiasa raikitra niisa 137 nandritra izany. Nanomboka tamin’ny 07ora maraina hatramin’ny 03ora tolakandro ny fifidianana natao teo anivon’ny oniversiten’i Toamasina. Miisa 10 ny kolejy mpifidy, satria teto Toamasina avokoa no nifidy ireo mpifidy avy amin’ny faritra hafa nahitana ny tao Analanjirofo sy ny Alaotra-Mangoro. Tao anatin’ny fanisam-bato dia lany tamin’ny isam-bato 78 tamin’ny 42 ny vaton’ny mpampianatra, sy ny mpandraharaha mpifidy tamin’ny isam-bato 73 amin’ny 161, Dr Razanakolona Diny. Tanjona goavana sy voalohany ho an’ity filoha vaovaon’ny oniversiten’i Toamasina ity, ny fanafoanana ny trosaben’ny oniversite izay efa mahatratra am-polony miliara ariary izany. Raha tsy foana izany trosa izany tsy afaka handroso sy hampandroso ny oniversiten’i Barikadimy ny ekipa vaovao ny prezidansa tarihan’Atoa Razanakolona Diny. Eo koa ny fananganana ny trano fipetrahan’ny mpampianatra mpikaroka, sy ny fikarohana ny famatsiam-bola amin’ny fanatsarana ny oniversite izay tena efa simba be avokoa ireo efitrano fampianarana misy.
Ankoatra izany dia fantatra fa miandry ny fahavitan’ireo fifidianana rehetra eny anivon’ireo oniversite hafa vao hamoaka ny didim-panjakana manendry ireo filoha lany ny filoham-pirenena. Eo amin’ny iray volana eo izany vao mety hivoaka izany didim-panjakana izany araka ny fanazavana voaray.
Malala Didier




