- Publicité SW45 -
vendredi, mai 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversOniversiten’i Toamasina : Mitokona ireo mpianatra fitantanana M1 sy M2

Oniversiten’i Toamasina : Mitokona ireo mpianatra fitantanana M1 sy M2

Mitaraina ka nitokona ireo mpianatra eo anivon’ny sampam-pianarana fitantanana “mention M1 sy M2”. Ny fototry ny olana eo amin’ny mpianatra sy ireo mpanabe amin’ny resaka naoty, izay nanoratan’ireo mpianatra sora-baventy hoe “tsy ekena ny vokatra be kolikoly”, noho ity naoty ity misy hosoka araka ny nambaran’ireo mpianatra. Raha ny zava-misy araka ny voalazan’ny mpianatra ao amin’ny “cycle Master”, dia fanadinana tokana no atao ka raha latsaky ny isa 05 ny naoty, na tsy miatrika taranja iray ny mpianatra amin’ny taranja iray, dia mihintsana avy hatrany. Nahatsikaritra anefa ireo mpianatra miatrika izany, fa nisy mpianatra izay “leader” izay tsy niatrika fanadinana, hoy ireo mpianatra, raha nivoaka ny lisitry ny fanadinana natao fa afaka ilay mpiantra voalaza io. Vokatr’izany no anton’izao fitakiana sy fitokonana ataon’ny mpianatra fitantanana M1 sy M2 eo anivon’ny Oniversiten’i Toamasina izao. Nisy ny fandefasan’ireo mpianatra taratasy fitarainana sy fangatahana fanafoanana izany nataon’ny mpianatra tamin’ireo tompon’andraikitra, saingy tsy misy valiny izany fa mitohy hatrany. Miandry ny tohiny ireo mpianatra ao anatin’izany, ka takian’izy ireo ny hamaliana azy haingana mba hamaha ny olana. Mitohy hatrany ny fitokonana sy fitakiana ary ny fametrahana sora-baventy mandra-mpivalin’izany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici