Noraisina ofisialy tao amin’ny biraon’ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina, Prof Diny Razanakolona, ireo profesiora eo anivon’ny sampana fitsaboana olona eo anivon’ny Oniversiten’i Toamasina. Vaovao tsara ho an’ny Oniversiten’i Toamasina izao fanendrena profesiora amin’ny sampana fitsaboana olona izao, satria hahamendrika ny diplaoma mivoaka avy eo anivon’ny Oniversite mikasika ny resaka fitsaboana izany. Efa maro mantsy ireo mivoaka avy eo anivon’ity oniversten’i Toamasina ity ankehitriny,ka tena ilaina ny fisian’ireto profesiora amin’ny fitsaboana olona ireo eto Toamasina. Ireto avy ireo profesiora dimy notendren’ny fanjakana hiasa eto Toamasina ireto ; dia Atoa sy Rtoa isany ny Pr Ratobimanankasina Herilanja eo lafiny « psychiatrie » – Pr Rasataharisetra Hanta eo amin’ny lafin’ny fandidiana – Pr Randriamanovontsoa Niaina Ezra sampana « oncologie » – Pr Rakoto Sedson Rado sampana « cardiologie » – Ps Randrianirina Andrimpitia sampana « traumatologie-orthopédie », izy ireo izao noraisin’ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina sy ny mpiara-miasa aminy izao. Nambaran’ny filohan’ny oniversite, fa vao mainka hampitombo ny fahaizan’ireo mpianatra izao fahatongavana profesiora vao notendren’ny fanjakana izao, hanampy ireo efa eto an-toerana. Saika manana « agrégation » avokoa ireto profesiora vao notendrena ireto, ka hinoana fa hampiakatra ny lentany diplaoma hivoaka eto Toamasina amin’ny lafin’ny fitsaboana izany rehetra izany tsy ho ela. Nisaotra ny fanjakana Malagasy ireo mpanabe eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina nandritra izao fandraisana ireto profesiora ireto.
Malala Didier


