- Publicité -
mercredi, septembre 23, 2026
- Publicité -
AccueilRégionsOniversiten’i Toamasina : Nanao seminera mikasika ny «école doctorale » ireo mpanabe sy...

Oniversiten’i Toamasina : Nanao seminera mikasika ny «école doctorale » ireo mpanabe sy ireo mpianatra

Nisokatra ny « école doctorale » eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina izay antsoina hoe « école doctorale de 3D Toamasina ». Manana mpianatra nisoratra anarana hanaraka ny fianarana nandritra izany amin’ireo taranja efatra azo hisafidianana dia miisa 172 izy ireo. Nihatrika izany avokoa ireo afaka rehetra nandritra ny seminera, satria zava-dehibe ny fanazava nandritra izany izany tena ilain’ireto mpihofana ihany koa. Mandritra ny telo taona ny fihofanana ao aminy ka taranja maro no azo hisafidianana ao anatiny ; isan’izany ny resaha fahasalamana – ny resaka ara-tsosialy – ny resaka fampandrosoana maharitra – ary ny mikasika ny fampianarana. Nisy noho izany ny seminera iraisam-pirenena nataon’ny oniversiten’i Toamasina nentina nanazavana tamin’ireto mpihofana ny zavatra ho  hitany sy hiainany mandritra ny fampihofanana ho ataony ao anatin’ny telo taonan’ny fampianarana. Misy indroa isan-taona ny seminera tahaka izao manomboka izao mba entina hanampiana ireto mpihofana amin’ny fikarohana izay hataony, izay malalaka ny safidin’ny mpihofana. Tamin’ity seminera natao tao amin’ny « éspace la marmite » ity dia niatrika izany ireo mpanabe roa avy any Rouen France sy ity mpanabe iray izay nalefan’ity mpiara-miasa amin’ny oniversiten’i Toamasina avy amin’ny « expertise » France. Tonga nandritra izao seminera izao koa ireo oniversite Malagasy mpiara-miasa rehetra, ka isan’izany ny oniversiten’i Mahajanga sy Antananarivo ary Toliara. Tamin’izao seminera natao izao no nampahafantarana ireto mpianatra sy mpihofanana ireto ; mombany toro-lalana mikasika ny tohankevitra izay ho atao hahazoana ny diploma « Doctorat ». Nambaran’ny solontenan’ny ministera ny fampianarana ambony, fa hanome lanja bebe kokoa ny fampianarana ambony ireo fampianarana ahazoana ny diplaoma ny « Doctorat » izao.

Malala Didier

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici