Natao Sonia ny talata tolakandro teo, ny fiaraha-miasan’ny sampampampianarana DEGMIA, na ny « Droit – Economie – Gestion – Mathematique – Informatique – et Application », sy ny orinasa SMMC na ny « Société de Manutention des Marchandises Conventionnelles », momba ny fametrahana fanofanana araka asa mikasika ny « Fitantanana ny Seranana sy ny fitahirizana entana » na ny « Gestion Portuaire et Logistique”. Ny sojaben’ ny sampampianarana DEGMIA sy ny Tale jeneralin’ny orinasa SMMC no nanao Sonia izany, tao amin’ny efitrano “cathédrale”-n’ny oniversite Barikadimy Toamasina. Natao ity Sonia amin’ny fahatsapan’ny roa tonta, fa ilaina ny fanofanana arak’asa mivantana ireo mpianatra hanao izany amin’ny fitantanana ny seranan-tsambo. Hiditra amin’ny fanatsarana sy fanitarana rahateo ny seranan-tsambon’i Toamasina izao, ka mila olona manam-pahaizana mahafehy ny fitantanana izany tsy ho ela. Mbola ny mari-pahaizana “licence” aloha no omena amin’izao dingana voalohany izao, midika izany fa mbola mari-pahaizana Bacc miampy 02taona no horaisina mandritra izany. Tsy ho ela koa, dia ho avy ny mari-pahaizana “Master” hoy ny Sojabe, Razanakolona Diny. Vao miditra sy afaka mandray olona ny oniversite dia efa manomboka ny fianarana, satria efa mandeha ny fisoratana anarana amin’izao ho an’ireo manana ny mari-pahaizana amin’ny sampam-pianarana rehetra misy ao Barikadimy. Maharitra herintaona manao enim-bolana roa ny fianarana mandritra izany; mahatratra roa taona kosa ny mari-pahaizana “master” amin’ny fotoana hisiany, satria fikarohana no tena atao ao anatiny. Ny Sonia niaraka tamin’ny SMMC no vita fa eo am-piandrasana ny fiaraha-miasa atao Sonia eo amin’ny SPAT, Ladoany, AUXIMAD, MICTSL…ary ny APMF koa ny DEGMIA ao Barikadimy Toamasina izao.
Malala Didier