- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversOniversiten’i Toliara : Mpangalatra akoho nodoran’ny mpianatra velona

Oniversiten’i Toliara : Mpangalatra akoho nodoran’ny mpianatra velona

Fitsaram-bahoaka hafa koa ! Tao amin’ny Oniversite Maninday Toliara ny alarobia lasa teo. Lehilahy iray tratran’ny olona nangalatra no nosamborin’izy ireo. Nodarohana ary nodorana velona nony avy teo.

Voalaza mantsy, fa mirongatra be ny hala-botry any an-toerana, tato ho ato izay. Antony nahatonga ny fisiana andrimasom-pokonolona manao fisafoana sy miambina any an-toerana. Raha ny vaovao voaray, dia nisy mpangalatra tafiditra tao amin’ny faritry ny oniversite tamin’io alarobia io. Ary tra-tehaka nangalatra akoho. Nifanenjehan’ireo andrimasom-pokonolona sy ny mpianatra ity farany ary voasambotra. Avy hatrany dia nihatra tamin’ity tovolahy 18 taona ity, ny daroka sy vono isan-karazany nataon’ireo mpisambotra. Ary nony farany, dia nodoran’izy ireo velona ilay tovolahy. Raha ny vaovao azo, dia tsy navelan’izy ireo ho may kilan’ny afo teo akory ilay tovolahy fa rehefa nijafajafa dia navotsotr’ireo olona nahasambotra ihany. Nisy nampandre ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana ka nidina avy hatrany tany an-toerana. Efa tsy hita tao intsony moa ilay mpangalatra akoho tamin’io fotoana io fa tafatsoaka, na dia teo aza ny ratra sy fahamaizana nihatra taminy. Hita tsy lavitra teo, tao an-tranony, tokony ho 8 km niala an’i Maninday, tao amin’ny fokontany Ankoronga ao amin’ny kaominina Betsinjaka moa izy nony avy eo, ary nentina avy hatrany tany amin’ny hôpitaly. Efa nanokatra ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity ireo zandary any an-toerana, iandraiketan’ny Vondron-tobim-pileovana ao Toliara.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici