- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-Divers« Opération Mandio” Toamasina : Jiolahy 03 maty voatifitra, 33 voasabotra ka ny 15...

« Opération Mandio” Toamasina : Jiolahy 03 maty voatifitra, 33 voasabotra ka ny 15 “MD”

Ny 08 oktobra teo no nifarana ny fanaovan’ny zandary ny “operation Mandio” teto Toamasina, izay ny komandin’ny vondrompileovan’ny zandary Atsinanana, Kly Ranaivoarisoa Théodule, no nitarika izany tao anatin’ny iray volana. Tsy hifarana hatreo anefa ny hetsika ho fametrahana ny filaminam-bahoaka eto Toamasina, fa hiova ho “operation lalam-pasika” indray izany ato ho ato, satria mirongatra loatra ny tsy filaminana eo amin’ireo lalam-pasika misy eto Toamasina, izay hisian’ireo mpifoka rongony sy mpanendaka ary mpamaky trano. Nisy fanaovan’ny zandary tatitra mikasika izao “operation Mandio” teto Toamasina izao, ka olona telo no maty voatifitra dia Ingahy Talata, tao Ambalamanasy, izay voalaza fa lehiben’ny “bande des onze”, ilay mpitondra posy mpanendaka tao Mangarivotra, ary ity rangahy iray tany Mahanoro izay mpamaky trano ikohizan’ny fiaraha-monina. Niisa 33 kosa ireo olona voasambotra tafiditra amin’ny raharaha asan-jiolahy ka ny 15 tamin’izy ireo no miandry fitsarana am-ponja izao, ny 12 nahazo famotsorana vonjimaika tamin’ny fitsarana, ary olona 06 mbola miandry ny fakana am-bavany azy ireo. Nisy ihany koa fiara 40 voatery nogiazana noho izy ireo tsy mazava ny taratasiny, 02 ny moto fampiasan’ireo jiolahy nogiazana ihany koa. Basy miisa 06 kosa no nisy nanatitra teo anivon’ny vondrom-pileovan’ny zandary Toamasina tao anatin’ilay fiangaviana nataon’ny mpitandro ny filaminana. Ankoatra izay dia mampiaka-peo kosa ny havan’Ingahy Talata, maty voatifitra tao Ambalamanasy, izay noporofoin’ireo mponina fa tena jiolahy ao an-toerana. Nilaza mantsy ny zokin’Ingahy Talata ity fa tsy jiolahy izany ny havan’izy ireo raha teo am-pakana ny havany tao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be. Milaza ny hitory izy ireo aorian’ny fikarakarana sy fandevenana ny havan’izy ireo, raha ny filazan’i Talata Gervais, zokin’Ingahy Talata Bernard maty voatifitra. Milaza ho manana porofo amin’izay nolazainy ireto fianakaviana ireto, koa ho hita eo ny ho tohin’ny raharaha…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici