Tao anatin’ny andro roa, nirotsaka be dia be ny orana teto Andrenivohitra. Araka ny fantatra, tondraka avokoa ny faritra iva rehetra ary nisy fitohanana tsy nisy ohatran’izany ny tamin’ny lalana indrindra ny alatsinainy. Fa ny andron’ny alahady, nahafaty olona ny orana tamin’ny faritra roa, Ampanotokana sy Manakambahiny. Nanomboka tamin’ny 4 ora tany ho any no nilatsaka ny orana. Vokany, olona efatra no indray namoy ny ainy. Zaza ny roa tamin’izy ireo, samy lasan’ny rano tany anaty tatatra avokoa, ny iray teny Ampanotokana Ankadindramamy ary ny faharoa teny Manakambahiny. Ireo roa hafa kosa, lehilahy avokoa, maty an-drano teny amin’ny faritr’Ankadindramamy.
Ho an’ireto farany ireto, anisan’ny olona nikaroka ilay zaza lasan’ny rano teny Ampanotokana izy ireo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa efa hatramin’ny alin’ny alahady no niara-nisalahy ny mponina teny an-toerana nitady ilay zaza. Tsy nahitana vokatra anefa izany. Ny maraina, niverina indray ny olona nikaroka. Tamin’izany no nisy ireo roalahy voalaza fa izany “zanadrano” izany. Anisan’ny nahery fo tokoa izy ireo tamin’ny fikarohana an’ilay zaza. Misy ranobe roa eny an-toerana ka tao amin’ilay rano iray izy ireo no nanao ny fikarohana. Tsy fantatra anefa izay zavatra niseho fa niditra anaty rano ny iray. Niandry ny rehetra anefa, voalaza fa tsy nipoitra izy. Raha nahita izany ilay namany dia lasa nandeha nikaroka azy. Voalazan’ny vaovao fa tany dia tsy hita koa ilay faharoa. Nikoropaka ny rehetra tamin’io fotoana io. Efa teny an-toerana ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalana, tonga hikaroka ilay zaza. Toerana iray hafa no niasan’izy ireo. Rehefa fantatra fa tsy nisy nipoitra ireo nitady ilay zaza, dia ry zareo no lasa nikaroka azy ireo tao anaty rano. Tsy ela dia hita ireo roalahy, saingy efa samy tsy misy aina avokoa. Nampakarina teny an-tanety ny razana. Araka ny vaovao fantatra teny an-toerana hatrany, voalaza fa ny rain’ilay zaza lasan’ny rano ny iray tamin’ireo roalahy dobo, omaly.
Ny andron’ny alahady, araka ny efa voasoratra ery ambony, zaza roa no indray lasan’ny rano tany anaty tatatra. Nahery vaika tokoa ny orana ary nanaraka izany ny ranobe nentiny. Ilay teny Ampanotokana, voalazan’ny vaovao fa avy nandeha nivavaka ny mpianakavy hamonjy fodiana. Rehefa hiampita izany tetezana hazo izany anefa, tsy voatanan’ny olona niaraka taminy ilay ankizy eo amin’ny 12 taona ka latsaka tany anaty tatatra nisy rano mahery vaika. Hatramin’ny omaly hariva, na dia nanao izay ho afany aza ny rehetra nampianan’ny mpamonjy voina, tsy mbola hita ilay zaza eo amin’ny 12 taona eo. Ilay zaza maty lasan’ny orana faharoa indray dia teny Manakambahiny, ny alahady ihany izany. Nisy olona niaraka taminy tamin’io fotoana io, araka ny loharanam-baovao. Tsy fantatra koa anefa izay niseho fa lasa tany anaty tatatra ny zazavavy kely iray 8 taona. Natao avy hatrany ny fikarohana. Hita ny razana fa araka ny filazan’ny mpamonjy voina, ireo fianakaviany kosa no sarotra nitady azy ireo.
Omaly alatsinainy, mbola nahery vaika ny rotsak’orana teto Andrenivohitra. Samy miandry izay vokatr’izany ny rehetra.
r.s.