Izany tokoa angaha ny hoe hetraketraky ny natiora. Nirefodrefotra ny varatra omaly teto Andrenivohitra ka namela takaitra mahatsiravina. Olona roa no fantatra fa maty nandritra izany. Ny voalohany teny Soavimasondro, ny faharoa kosa tao Androndra.
Nitranga ity loza teny Soavimasoandro ity tokony tamin’ny 1 ora teo hoe eo. Tovolahy iray 27 taona, mpiasa mpanao trano no maty tamin’io fotoana io. Ity farany sy ny namany efa-dahy izay niezaka namarana ny fanafoana ilay trano namboariny alohan’ny fotoana hiala amin’ny orana izay efa nandindona tanteraka tamin’io fotoana io. Tampoka tokoa no nisehoan’ny loza, raha araky ny fitantaran’ny rahalahin’ny maty, sady mpiara-miasa taminy rahateo, ka nahatazana ny zava-niseho sy azo lazaina fa niheren-doza ihany koa. “Tsy tafaraka tamin’izy dimy lahy aho fa nisitaka nandoko tsatoka na “piquet” miala metatra vitsivitsy ilay trano iasan’izy ireo tamin’io fotoana io rehefa avy nifampizara asa tamin’izahay”, hoy ny fitantarany raha nanaraka ny razana teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA), Ampefiloha.
Araka ny fanazavany, teny ambony tafo ity tovolahy maty ity sy ny namany iray ary tety ambany kosa ny telo no nipoaka tampoka ny varatra. “Nony nitodika aho, olona telo no hitako nitsirara tamin’ny tany ka ny iray tsy nahatsiaro tena intsony sy naratra mafy teo amin’ny lohany ary ny roa kosa very saina tanteraka”, hoy izy. Nambarany fa samy niezaka namonjy ny olona manodidina fa izy kosa avy hatrany dia nandeha niantso “taxi” hitondrana ity maratra ho eny amin’ny hopitaly avy hatrany. “Indrisy anefa fa nony tonga tao amin’ny “Urgence”, nilaza ireo mpitsabo fa efa tsy tana intsony ny ainy”, hoy ihany ity mpitantara izay tsy nahatana intsony ny ranomasony. Nitomany izy satria nambarany fa tsy mba nisy akory fialana nenina izay nataon’ireo mpitsabo fa toa nojerena fotsiny ilay maratra izay tena mbola nafana ny vatany ka notombanana fa vokatry ny fiajerana no tena nahafaty azy.
Teny Androndra kosa, na ny marimarina kokoa teo Ampamantanana, raim-pianakaviana iray ihany koa no voalaza fa nilatsaham-potaka ka maty tsy tra-drano teo akaikin’ny fiangonana FJKM eny an-toerana . Araka ny fanazavana, olona nandalo ihany ity olona ity izao niharan-doza izao. Tamin’ny 02 ora sy sasany teo ho eo no nitrangan’izany. Fotoana izay efa tena naha be fiaviavy ny orana izay narahana havandra mihitsy. Toe-javatra izay mahatonga hilaza fa ny “natenain-kanirina indray no nampivandravandra”. Fantatra mantsy araka ny filazan’ny sampan-draharaha misahana ny famantarana ny toetr’andro eny Ampandrianomby fa orana noforonina (pluie provoquée) io orana io noho ny fihenan’ny haavon’ny rano eny Andekaleka sy Tsiazom-paniry ary Mantasoa. Ankoatry ny aina nafoy, betsaka ihany koa ny voly simba noho ny havandra.
T.M.