Tokony ho tamin’ny 03 ora tolakandro teo, ny zoma teo, no tonga nanatanteraka ny fanakatonana ny orinasa « AAA » teto Toamasina ny sampan-draharahan’ny hetra sy ny vadintany ary ireo andian-tafika marobe nentin’izy ireo. Nisy aloha ny fifampiresahana nilazan’izy ireo ny anton-diany tamin’ny tomponandraikitry ny orinasa « AAA » Toamasina. Taoriana izay dia niroso tamin’ny fanakatonana ny orinasa izy ireo, tokony tamin’ny 03 ora sy sasany. Raha ny voalaza tamin’ny taratasy narantin’izy ireo teo am-panakatonana ny orinasa « AAA », dia ny tsy fisian’ny karatry ny mpandoa hetra, ny tsy fanaovana ny taratasay ara-dalàna amin’ny fisiana, ary ny tsy fahalovana ny hetra ara-potoana. Tsy nisy nanaiky niteny moa izy ireo omaly io raha nanontaniana , na teo anivon’ny sampandraharahan’ny hetra notarihan’ny taleny, na ilay vadintany netin’izy ireo nanatontosa ny fanakatonana, ary ny teo anivon’ny orinasa « AAA » Toamasina. Ny hany fantatra fotsiny dia mikatona 15 andro mikaonty nanomboka ny datin’ny 17 aogositra nandraisan’ny orinasa ny taratasy “mise en demeure” izy ireo noho ireo antony telo voalaza teo aloha ireo. Misy indro kely anefa ilay datin’ny 17 aogositra, satria ny datin’ny 10 aogositra no naharaisan’ny orinasa « AAA » ilay « lettre de mise en demeure » nambaran’ny sampandraharahan’ny hetra teto Toamasina. Ho hita eo izany ny tohin’ny raharaha, fa efa manomana ireo taratasy rehetra takian’ny fanjakana aminy ny orinasa amin’izao fotoana, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny orinasa « AAA ». Na feno miaramila sy zandary ary polisy aza nentin’izy ireo nandritra ity fanakatonana ny orinasa « AAA » Toamasina ity, dia nilamina ny fandehan-javatra rehetra nandritra izany.
Malala Didier