- Publicité -
vendredi, septembre 11, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversOrinasa Ambatovy : Hanampy ireo mpanjono ao Toamasina I sy ao Amboditandroroho…

Orinasa Ambatovy : Hanampy ireo mpanjono ao Toamasina I sy ao Amboditandroroho…

Natao Sonia ny alakamisy tolakandro teo ny fanaovan-tsonia teo amin’ny Ambatovy sy ny fitalevam-paritry ny jono, izay natrehan’ny sekretera jeneralin’ny faritra atsinanana. Ny tanjona tamin’ity fanaovan-tsonia ity ny ho fanampiana ireo mpanjono madinika sy ny vady aman-janany mba hivoatra eo amin’ny fiainany andavanandro izy ireo. Haharitra telo taona ny fifanarahana natao Sonia ity araka ny fanazavana. Tanana roa ny faritra atsinanana no hanaovana azy ity, dia Toamasina I sy ny kaominina Amboditandroroho; eo koa ireo fikambanana mpanjono miisa dimy avy amin’ny ireo kaominina roa ireo. Fanomezana aina ny lakandranonin’ny pangalanes ny zava-misy. Nambaran’ny Raharimandimby Simon talem-paritry ny jono atsinanana, fa “zava-dehibe ho an’ireo mpanjono madinika izao fanaovan-tsonia izao, satria maro ny fanampiana azy ireo ao anatin’izany…”. Ho an’ny talen’ny tontolo iainana eo anivon’Ambatovy dia nambarany “orinasa tompon’andraikitra ny orinasa Ambatovy, ka izay no antony anampiany ireo olona manodidina ny orinasa dia ireo mpanjono madinika sy ny fianakaviany izany, mba hahatsara ny farim-piainany aorian’ny fahavitan’ny tetikasa”. Ho an’ny sekretera jeneralin’ny faritra atsinanana niatrika ny fanaovan-tsonia, dia “tena zava-dehibe ny zava-nitranga satria isany fandaharan’asan’ny faritra atsinanana ny fanatsarana ny lakandranon’ny pangalana, eo amin’ny lafin’ny jono sy ny fizahan-tany”.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici