- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversOrinasa ambatovy Toamasina : Mpiasa vahiny niisa 140 ombam-bady aman-janaka naverina amin’ny...

Orinasa ambatovy Toamasina : Mpiasa vahiny niisa 140 ombam-bady aman-janaka naverina amin’ny taniny

Taorian’ny fifandroritana teo amin’ny fanjakana sy ny orinasa Ambatovy momba ireo mpiasany nambara fa nahatonga ny fiparitahan’ny coronavirus eto Toamasina, ka nampiakatra ny  isan’ireo marary, dia nandray fanapahan-kevitra ny orinasa Ambatovy raha nanaiky ny fangatahany ny fanjakana fa hampody an-tsitra-po ireo teratany vahiny miasa ao aminy omaly alarobia. Raha ny fanazavana azo dia mpiasa 140 sy ireo vady aman-janany no nisafidy ny hody, ampahany voalohany aloha hatreto, ka ny alarobia maraina no nandray fiaramanidina “Tsaradia” tao Ambalamanasy izy ireo ary niazo an’Ivato Antananarivo niandry ny fiaramanidina hafa nitondra azy ireo any amin’ny tany niaviany. Teratany filipiana sy teratany afrikana tatsimo…ary teratany kanadiana izy ireo. In-3 nitatitra ny fiaramanidin’ny “Tsaradia” omaly vao nahataona ireto mpiasan’Ambatovy nalefa nody niverina amin’ny taniny ireto. Hatreto aloha tsy nahazoana fanazavana ny teo anivon’Ambatovy mikasika ireo mpiasa vahiny mbola eto an-toerana hampihodina ny orinasa amin’ny farany kely indrindra. Raha ny fanazavana aloha dia mpiasa malagasy miisa 150 no mbola miasa ao ankehitriny ary tsy afa-mivoaka mifanerasera amin’ny fiaraha-monina sy ny ny fianakaviany noho ny baikom-panjakana ho fisorohana ny valanaretina coronavirus ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici