Vonona sy afaka miatrika ny fanamboarana ny tohadrano vaovao ao Volobe II ao Toamasina faharoa ny fanjakana Malagasy sy ny orinasa CGHV na « Compagnie générale d’hydroélectrique de Volobe ». Vita sonia ny zoma folakandro teo mantsy ny fiaraha-miasa sy lasitry ny fiaraha-miasa mahakasika ny tetikasa eo amin’ny fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny minisitry ny angovo sy ny akoranafo, ary ny tale jeneralin’ny orinasa CGHV, teo hanatrehena ny filohan’ny fanavaozana. Finiavana lehibe sy manaraka ny voafaritry ny lalana Malagasy izao fanaovana sonia izao, mba ahafahana miroso bebe kokoa amin’ny fahafahana manamora ny famatsiam-bola, sy ny fanonerana ireo fotodrafitrasa sy famokarana herinaratra, ary ny fokojakojana sy famerenana ireo fotodrafitrasa amin’ny fanjakana aorian’ny fahataperan’ny fifanarahana. Hanomboka tsy ho ela izany ny fanamboaran-dalana 45km mihazo ny faritra misy ny tohadrano toeram-piasana ao Volobe Toamasina II ; ary amin’ny fotoana fahavitany dia hamokatra herinaratra 127MW ho an’ny Malagasy ny ivon-toerana, izay ilaina amin’ny fananganana orinasa sy ny tokantrano mahatratra 2 tapitrisa any ho any. Nambaran’ny filohan’ny fanavaozana nandritra ny fanaovan-tsonia, fa « manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ifotony ny tetikasa. Maro mantsy ireo tanora hahazo asa mandritra ny fametrahana izany, ary ny Malagasy maro hahazo tombony amin’ny herinaratra madio vokariny ». Nomarian’ny tale jeneralin’ny tetikasa CGHV koa, fa « tsy miova ny laharam-pahamehana ho azy ireo dia tetikasa tena ilaina sy manaraka ny fenitry ny fampandrosoana maharitra ». Vonona ny tetikasa CGHV hanafaingana ny asa ao anatin’ny fanarahana ny fenitry ny kalitao sy ny lalana, mba hiara-higoka ny tombontsoa amin’ny tetikasa izao ny vahoaka eto Toamasina sy manerana ny Nosy. Efa vonona avokoa ireo orinasa mpiara-miasa aminy amin’ny asa rehetra atao ao anatin’izany, satria efa vita avokoa ny sonia ny fifanarahana arakasa rehetra ao anatin’izany.
Malala Didier
Orinasa CGHV Toamasina II : Hanomboka tsy ho ela ny fametrahana ny tetikasa
Suivez nous
Articles qui pourraient vous intéresser


