- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversOrinasa CGHV Toamasina : Mampiasa olona 100 amin’ny fanarenana herinaritry Volobe

Orinasa CGHV Toamasina : Mampiasa olona 100 amin’ny fanarenana herinaritry Volobe

Ireo misitraka asa.

Isany mandray andraikitra amin’ny fanarenana ny herinatry ny Jirama Toamasina, amin’ny fanarenana ny tamban-jotra miainga ao Volobe Toamasina II, ny orinasa CGHV. Isany tena voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza farany teto Toamasina mantsy ny tamban-jotra Volobe Toamasina I, nefa isany mpamatsy herinaratra an’i Toamasina renivohitra. Raha  ny fampitam-baovao voaray dia nidaboka avokoa ieo andrin-jiro mpitondra ny herinaratra, ka tsy maintsy amboarina avokoa izany. Olona 100 ny manamboatra izany any anaty ala, nefa mialoha izany dia tsy amboarina ny lalana mihazo an’i Volobe ao Ambodilazana mirefy 39Km miala eo Fanandrana eo amin’ny fokontany Ambodikily. Roso amin’ny fanamboarana ilay lalana ireo lehilahy 100 ireo  amin’izao fotoana izao, ka asa atakalo vola no anaovana izany ; lzay handraisan tambin-karama vola 7.000 ariary sy vary iray kilao isan’andro  ao anatin’ny 30 andro ny asa fanamboarana. Nijery akaiky ny fanarenana ny mpandrindra ny asa sy ny faritra atsinanana ary ny kaominina Fanandrana, nijery ny firoson’ny asa, satria sady fanarenana ny herinaratra simba izy ity no hamaha ny olana araky ny lalana any an-toerana ; izay tokony ho hatsaraina aza raha ny tena marina. Niatrika izany koa ny orinasa CGHV izay ho mpamokara herinaratra koa tsy ho ela hanampy ny Volobe, izay orinasa mandray andraikitra ara-tsosialy eto Toamasina.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici