- Publicité -
dimanche, novembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversOrinasa Enelec sy ny Jirama : Horaisin’ny Jirama an-tanana ny fitantanana ny toby...

Orinasa Enelec sy ny Jirama : Horaisin’ny Jirama an-tanana ny fitantanana ny toby famokarana herinaratra

Mila sahy ny mpitondra Malagasy manao izao hetsika ho fitantanana toby famokarana herinaratra toy izao, raha mahita fa manaotao foana ireo teratany vahiny mpitantanana izany hatramin’izay. Samy nankasitraka izao fepetra noraisin’ny fanjakana Malagasy amin’ny fanaovana « réquisition » ny orinasa « Enelec » eto Toamasina, ao anatin’ny vondrona Filatex ; vokatry ny didim-panjakana laharana 2026-2432 tamin’ny 03 novambra 2026.

Manomboka izao vokatra izany araka ny nambaran’ny minisitry ny angavo sy ny ankoranafo teto Toamasina dia ny Jirama no misahana ity toby famokarana herinaratra ity. Araka ny nambarany koa dia ny jirama no mandray anjara amin’ny fandoavana ny karaman’ireo mpiasa eo anivon’ny Enelec izay mbola miasa mampihodina ny orinasa. Fanovana goavana izao misy eo anivon’ny Jirama Toamasina izao, mba ahafahana mampihena ny resaka fahatapahan’ny herinaratra nisy tato ho ato. Efa milamina io fahatapahana misy eo anivon’ny Jirama io ankehitriny hoy hatrany ny minisitra Rabearimanga Radonirina Lucas sy ny tale jeneralin’ny Jirama Jeneraly Rasolomanana Hajatiana. Niatrika izay fandraisana ny orinasa Enelec an’ny vondrona Filatex izay koa ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny fanavaozana ny repoblika, ny jeneraly Itibar Ottman sy ireo tomponandraikitra ara-pitsarana samy hafa avy eto Toamasina ary ireo mpitandro ny filaminana.

Tafiditra tamin’ny fampitandremana nataon’ny filohan’ny fanavaozana ny orinasa Enelec telo volana lasa izay, izao fepetra izao. Tsy maintsy ampanarahana ny lalana anefa ny fihetsika atao fa tsy manatao foana izany, hoy ireto tonga teto Toamasina nanao izao fanavaozana nisy izao. Satria teo ambany fanaraha-mason’ny vadintany ny fanaovana izany, ary nanao ny fanaraha-maso ihany koa ireo mpitandro ny filaminana samy hafa.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici