- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversOrinasa Galana Madagasikara : Nanolotra jiro “cobra” 200 ho an`ny tananan’i Toamasina

Orinasa Galana Madagasikara : Nanolotra jiro “cobra” 200 ho an`ny tananan’i Toamasina

Ny zoma tolakandro teo tao amin’ny lapan’ny tananan’i Toamasina, no natao ny fanoloran’ny orisana galana Madagasikara ireo jiro “cobra” miisa 200, hapetraka eto Toamasina renivohitra, indrindra fa ireo lalam-pasika maizina. Efa politika napetraky ny orinasa galana Madagasikara ny fampihenana ny entona “carbone” amin’ny fampiasana ireo jiro mitsitsy herinaratra, araka ny nambaran’ny solontenan’ny tale jeneralin’ny galana.

Izay no nahatonga azy ireo koa niara-niasa tamin’ny fanolorana zanakazo hambolena tamin’ity taona ity teto amintsika. Ny manetsa be mbola ho avy hoy ny galana, satria efa mipetraka ny fiaraha-miasany amin’ny jirama amin’ireo tetikasa ireo. Nomarihan`ny jirama kosa fa ny zoma hariva tamin’ny 06 ora ihany dia efa hametraka izany tao Andranomadio P/elle 11/47 izy ireo, mba entina hanazava ny fokontany noho ny haizina iainan’ireo mponina isan’andro. Ny tale jeneralin’ny jirama mihintsy no tonga eto Toamasina nanolotra sy nandray ny fanomezan’ny galana ho an’ny kaominin’i Toamasina renivohitra ity. Fantatra izao fa ireo kaominina eto anivon’ny faritra Atsinanana manamorona ny lalam-pirenena faha-02, dia notolorana jiro “cobra” tahaka izao, mba entina hanazavana ny Tanana sy ny lalana. Manomboka avy any Antsampanana izany mandalo ao Brickaville ary mipaka hatraty Ampasamadinika sy Fanandrana izay samy nahazo jiro “cobra” miisa 30 sy 20 avy. Natolotra ny zoma maraina teo avokoa izany ary apetraka manomboka androany ireo takamoa.

Ankoatra izany dia nomarihan’ny ben’ny tananan’i Toamasina, fa ilaina ireo fanazavana ny Tanana maizina ireo, satria miditra ao anatin’ny krizy ara-pahasalamana isika izay mitarika ny krizy ara-ekonomika sy ara-tsosialy ary mitondra mankany amin’ny krizy ara-pilaminana; ka ity krizy ara-pilaminana ity no sorohina raha mazava ny Tanana, hoy hatrany ny ben’ny tananan’i Toamasina Rakotonirina Nantenaina Herilala.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici