- Publicité SW45 -
lundi, mai 20, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversOrinasa “HITA” ao Androranga Toamasina : Naaton’ny fanjakana aloha, vokatry ny fofona maimbo...

Orinasa “HITA” ao Androranga Toamasina : Naaton’ny fanjakana aloha, vokatry ny fofona maimbo be avoakany

Naaton’ny fanjakana aloha tamin’ny alalan’ny prefektioran’i Toamasina ny fihodinan’ny orinasa HITA na “Huilerie Industrielle de TAmatave” mamokatra menaka eto Toamasina, noho ny fofona maimbo be avoakany izay miteraka tsy fahasalamana ho an’ny mponina manodidina ny orinasa. Eo koa ny tahotry ny prefen’i Toamasina izay misahana ny filaminam-bahoaka ny olana ara-tsosialy sy ny sakoroka mety haterany eto Toamasina. Efa nanomboka ny taona lasa iny dia nahatsikaritra ny vahoaka teto Toamasina, sy efa nanao fitarainana tamin’ny tompon’andraikitra maro ihany koa, amin’ny fisian’ny fofona avoakan’ny orinasa HITA. Mazana ny alina vao mivoaka ny fofona satria mandritra izany no manadio ny menaka ao aminy ny orinasa, ka saika ny fokontany tampon-tanana manakaiky ity orinasa ity dia sempotry ny setroka maimbo avoakany avokoa. Maro noho izany ireo aretina aterany amin’ireo marefo indrindra fa ny zaza sy ny antitra. Vokany nanao fanairana tamin’ny tamba-jotran-tserasera mikasika izany ny vahoaka efa leo sy marary lava, ka nandray andraikiny ny 08 may teo ny fanjakana tamin’ny fijerena ny tena zava-misy marina tao amin’ity orinasa mpanadio menaka eto Toamasina ity. Niarahan’ny prefektioran’i Toamasina, ny faritra asinanana, ny kaominina Toamasina, ny minisiteran’ny Indostria sy ny tontolo ianana ary ny ONE nanao ny fanamarihana izany. Nandritra ny fisavana natao dia betsaka ny tsy fanajana lalana nataon’ity orinasa ity tsikaritr’ ireto mpanara-maso ireto. Teo ny fofona maimbo be ao anatin’ny orisa sy ivelany, ny tsy fananan’izy ireo fitaovana manamaivana ny fofona, ny laboratoara manara-maso ny vokatra menaka tsy manaraka ny fenitra sy ny fepetran’ny fahasalamana, ny fanaovana ny menaka anaty tavoahangy izay tsy manaram-penitra, ary ny tsy fitondran’ireo mpiasa fitaovam-piarovana akory mandritra ny asa ataony. Manginy fotsiny amin’izany ny fandikan-dalana amin’ny fanitarana an-tsokosoko ny orinasa, izay tsy mifanaraka amin’ny fahazoan-dalana azony na eo amin’ny haben’ny orinasa izany na eo amin’ny fikajiana ny tontolo iainana. Nilaza ny orinasa fa ny 20 jona izao no ho tonga ny fitaovana rehatra mikasika izany fofona maimbo be izany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici