vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversOrinasa Madaomby : Vola 90 tapitrisa ariary, nahodinkodina mpiasa roa

Orinasa Madaomby : Vola 90 tapitrisa ariary, nahodinkodina mpiasa roa

Olona roa, mpivady, no nosamborin’ny zandary omaly teny amin’iny faritra Sabotsy Namehana iny. Ireto mpivady ireto dia voarohirohy ho nanodinkodim-bolabe tao amin’io orinasa Madaomby io. Ny fitarainana azon’ny teny anivon’ny zandary no nahafantarana fa mahatratra eo amin’ny 90 tapitrisa ariary  eo ho eo no vola nalain’izy roa ireto. “Taorian’ny fanadihadiana sy ny fikaroham-baovao, dia nanao ny vela-pandrika rehetra ny  izay nahitana ny avy ao amin’ny « Groupe d’appui à la Police Judiciaire » avy any amin’ny Vondron-tobim-pileovan’ny zandary avy ao Bongolava, ny avy etsy amin’ny Sampana fikarohana heloka bevava etsy Fiadanana, ny Gsis ary ny borigadin’ny zandary etsy Sabotsy Namehana, dia tra-tehaka tamin’io andro io, izy mivady ireto” hoy ny fampitam-baovao. Marihana, fa ny orinasa Madaomby dia sehatra iray ivondronan’ireo mpisehatra rehetra amin’ny resaka omby any amin’iny faritra Bongolava iny. Samy mpiasa tao amin’ity orinasa ity avokoa izy roa ireto, ary inoana fa olona manana andraikitra ka nahazoany nitazona ireto volabe ireto. Raha ny fanazavana azo, dia mbola tratra teny amin’izy mivady ireto ilay volabe tamin’ny fotoana nahatrarana azy ireo. Araka izany dia efa nantsoina ireo tompon’andraiki-panjakana sy olom-boafidy avy any an-toerana, mba hiatrika sy hiaraka hanisa izany vola tratra teny am-pelan-tanan’ireto olon-dratsy ireto. Izany no natao hoy ny vaovao, dia “mba hangarahara tanteraka ny asa ataon’izy ireo”. Mbola namafisin’ity fampitam-baovao avy amin’iny zandary ity hatrany moa, fa “ny fiarovana ny olona sy ny fananany no isan’ny andraikitry ny ZP, ny mamerina amin’ny tompony ny fananany izay very ka hita indray » dia isan’ny efa nampiavaka ny ZP hatrany hatrany, ka misaotra ireo izay nifanome tanàna taminy rehetra tamin’ny asa natao

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici