Vokatry ny fahavoazan’i Toamasina nateraky ny rivodoza farany teo, dia nahatsapa ny andraikiny noho ny maha-oriasa tompon’andraikitra azy amin’ny fiaraha-monina eto Toamasina ny orinasa Mictsl, dia nahatsapa izy ireo fa voamafy i Toamasina, ka nanolotra vary 300 taonina tamin’ny Bngrc izy ireo ho fanampiana ho an’ireo tra-boina. Fanehoana ihany no naseho noho ny hamaroan’ilay vary. Na tra-mpahavoazana tahaka ny vahoaka eto Toamasina aza ny orinasa dia tsy manadino ny vahoaka amin’ny mpiara-miasa aminy sy naha-toy izao ny orinasa, dia tsy maintsy manampy azy ireo amin’ny fahavoazany. « Hainay fa tsy ampy ny vahoaka eto Toamasina ireo fanampiana, fa ny manampy no tena zava-dehibe aminay », hoy ny tale jeneralin’ny orinasa Mictsl. « Tena ho tonga any amin’ny tra-boina izany » hoy ny tale jeneraly ny orinasa Mictsl, namaly izany kosa ny mpandrindra ny Bngrc eto Toamasina fa « tena ho tonga any amin’ireo tra-boina tokoa ireto fanomezana ireto ». Nanolotra mari-pankasitrahana ho an’ny orinasa amin’izao fanampiana nataony izao ny Bngrc nandritra ny fanolorana ny vary ny alakamisy atoandro teo. Ankoatra izany dia mitohy ihany koa ny asa fanadiovana ny tanana amin’ny fanesorana ireo fako mameno tanana ataon’ny kaominina ambonivohitry Toamasina. Miara-misalahy amin’ireo orinasa maro eto Toamasina ny kaominina manao izany, satria ny tanjona dia ny famerenana an’i Toamasina amin’ny endriny teo aloha maha-tehotia hoy ny ben’ny tananan’i Toamasina. Sydney Sweeney feet
Malala Didier




