- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Orinasan-jiolahy ravan’ny zandary

Moramanga : Orinasan-jiolahy ravan’ny zandary

Antsoina hoe orinasa satria tena samy manana ny asany ary mifameno ireo jiolahy izay tao anaty tambajotra iray. Misy ny manara-maso fotsiny sy manao angom-baovao amin’ny olona na toerana hotafihina. Misy ny atidoha mikotrika izay misahana ny fandrafetana ny fandrobàna. Misy indray ny miandraikitra ny fidinana an-tsehatra na ny fanafihana mitam-piadiana mivantana. Vita izay dia misy ny miandraikitra ny fitaterana ny jiolahy sy izay azony. Dia mbola ao anatin’ny tambajotra koa ny mpivarotra ny halatra. Izany fikambanan-jiolahy izany no ravan’ny zandary tao amin’ny kaompania Moramanga. Raha araka ny fanazavana dia : « niainga avy amin’ny fahatratrana jiolahy roa tao Moramanga ny herinandro lasa teo izay niaraka tamin’ny basy lava iray sy basy vita gasy iray no nahafahana nandrava sy nisambotra ireo jiolahy miisa 11 mpanao fanafihana rehefa nanaovan’ny zandary vela-pandrika ». Nisesy arak’izany ny fisamborana ary azo koa ny fitaovana fampiasan’ity andian-jiolahy izay misy zana-tany ary koa misy avy amin’ny faritra hafa ao anatiny. Izy ireo no voalazan’ny zandary ho tompon’antoka tamin’ny fanafihana misesisesy tao an-toerana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici