Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fitsaràna miady amin’ny kolikoly (Pôle Anti-Corruption) omaly ary nampahafantatra ny laharam-pahamehana ankehitriny. Isan’ny nohazavain’ny mpandrindra nasionaly fa hiroso amin’ny famerenana ny volam-panjakana nisy nanodikondina ny PAC. Volam-panjakana izay tsy toko tsy forohina no nisy nanodina raha araka ny tatitry ny misahana ny kaontim-bolam-panjakana. Niainga tamin’io avokoa ny nanetsika ny rantsa-mangaika rehetra teto amin’ny firenena ary nifantoka tamin’ny fanokafana fanadihadiana. Betsaka amin’ireo volam-panjakana no efa nofotsiana ary nalefan’ireo mpanao ratsy any ivelany. Eo dia tsy maintsy miara-miasa amin’ny fitsaràna iraisam-pirenena ny fitsaràna Malagasy amin’ny famerenana ireo volam-panjakana nisy nanodina. Miompana amin’izany indrindra koa ny PAC ankehitriny raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra omaly. Raha tsiahivina dia manodidina ny 922 dolara ny vola voahodina nandritry ny fitondràna teo aloha. Volam-panjakana avokoa izany ary anisany ny afera amin’ny tsenam-barom-panjakana.
D.R





922 dolara fotsiny ve ny fitambarany ? Sao dia mba an’hetsiny ?