- Publicité -
jeudi, novembre 19, 2026
- Publicité -
Accueil Blog Page 10561

Cabaret : Une belle prestation de Randrantelo au Trass

0

Tout simplement magnifique! C’est ce qu’on peut dire du cabaret du groupe Randrantelo, au Trass Tsiadana, dans la soirée de vendredi dernier. Comme à l’accoutumée, Fara Gloum, Farakely, et Mahandry, ont su éblouir le public qui n’a pas pu s’empêcher de chanter, du début jusqu’à la fin de la prestation. Folk malgache, « kalon’ny fahiny », musique populaire… tous étaient au rendez-vous! Malgré un délestage inattendu, au beau milieu du spectacle, tout le monde a quand même eu sa part d’ambiance. Au contraire, cela a permis à tout un chacun  de prendre un petit break de cinq minutes  après avoir bien pris son pied ! Le groupe promet d’autres prestations dans d’autres endroits, très prochainement.

Arnaud R.

Jazz tohatohabato : Succès populaire de la manifestation

0

Les amateurs de jazz ont apprécié et ils sont venus nombreux durant les trois jours de la manifestation. L’apothéose a eu lieu hier  toute la journée à Analakely. Les escaliers d’Antaninarenina ont accueilli des centaines de mélomanes qui n’ont pas boudé leur plaisir. Sur la scène installée au milieu de l’avenue jouxtant l’esplanade, une quinzaine de  groupes ont joué un jazz de qualité. Tambours gasy, Ragasy, AFjazz, CGM Jazz Club, Sammy Andriamanoro band et beaucoup d’autres formations ont  des heures durant mis de l’ambiance dans ce lieu qui, d’habitude, voyait passer des piétons plus préoccupés par leurs soucis quotidiens. Hier, il régnait une certaine joie de vivre.

Patrice RABE

Ny Ako : L’esprit du « fihavanana » retrouvé lors de son concert

0
Le message du « fihavanana » distillé par Ny Ako est passé. (Photo Nary Ravonjy)
Le message du « fihavanana » distillé par Ny Ako est passé. (Photo Nary Ravonjy)
Le message du « fihavanana » distillé par Ny Ako est passé. (Photo Nary Ravonjy)

Son message sur le « fihavanana » a été parfaitement reçu par le public qui a manifesté son allégresse tout au long de sa prestation, samedi dernier. Plus que la qualité artistique du spectacle, c’est bien sûr la communion établie par les membres du groupe avec les spectateurs du début à la fin.

Dans le contexte actuel, ce show  était l’occasion pour tous ceux qui étaient en plein désarroi de trouver du réconfort. Les membres de cette formation évangélique ont apporté ce soutien spirituel dont ils avaient besoin.  Le message de concorde et d’unité fut répété durant le concert. Ce ne fut pas une succession de chansons, mais les choristes de Ny Ako ont joué de véritables scènes de théâtre qui ont captivé le public et qui ont au bout du compte déchaîné  l’enthousiasme de ce dernier. Les comédiens n’évoluaient pas dans un décor somptueux. Il était même très sobre, mais leur conviction a emporté l’adhésion de toute l’assistance. Leur prestation artistique fut impeccable. Ils marièrent tous les genres musicaux et  présentèrent de très beaux ballets. Le groupe a donc réussi son pari : donner aux chrétiens l’occasion de retrouver cet esprit du « fihavanana » dont ils ont besoin en ce moment.

Patrice RABE

Kapiteny Faneva : «Salama tsara sy tsy misy atahorana ny ainy », hoy ny zandarimariam-pirenena

0

« Nisy tokoa ilay fifandonana tamin’ny malaso, nihatra tamin’ireo zandary sy dahalo niova fo, tao Andranomena, Tsivory, niseho ny alarobia lasa teo, saingy, tsy voa tamin’io ny Kapiteny Faneva. Salama tsara ny lehilahy ary tsy misy atahorana ny ainy », hoy ny Jeneraly Rakotoarison Anthony, Talen’ny fikarohana sy fampitam-baovao eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Na dia teo tokoa aza ny savorovoro pôlitika mitranga amin’izao fotoana, isan’ny nanaitra ny sain’ny mpanara-baovao rehetra ity iray tamin’ireo fifanjevon’ny dahalo sy ny zandary tany Atsimo ity. Ny antony, ilay voalaza fa mpampandry tany malaza any amin’iny tapany Atsimo iny no voa tao anatiny. Fampitam-baovao avy any an-toerana no nilaza fa saika handresy lahatra ireo dahalo, izay nitoby tao amina kizo iray tao Andranomena, ity Kômandàn’ny kômpanian’i Tôlagnaro, niaraka tamina zandary valo ary ireo dahalo niova fo aman-jatony maro. Fantatr’ireo rehetra any an-toerana anefa fa isan’ireo kizo tsy nety rava sy fieren’ireo dahalo ity toerana ity. Noho io toerana io sarotra azo izay dia efa nandrasan’iretsy fahavalo fotsiny izy rehetra. Nirefodrefotra ny basy. Nambara tamin’izany fa nahatratra teo amin’ny 30 teo ireo dahalo niova fo namoy ny ainy ary zandary roa kosa no maty,  efatra tsy hita popoka ary naratra mafy i Kapiteny « Tsy mitsitsy ». Hatreto anefa, raha ny fampitam-baovao ofisialy avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia telo amin’ireo « niova fo » no fantatra fa lavon’ny balan’ireo olon-dratsy, zandary efatra no mbola tsy hita sy tsy tafaverina an-dakazerina, hatramin’ny omaly. Mbola ao anatin’ny tanjany tanteraka kosa ny mpitarika azy ireo, izay niverina tao Amboasary Atsimo. Raha ny fanazavana azo dia mbola saika hiverina tany amin’ilay toerana nisian’ny fifanjevoana ity manamboninahitra ity, saingy tsy navela ho any aloha fa nasaina niakatra aty an-drenivohitra. Anio no nambara fa ho tonga eto izy, raha ny fantatra hatrany. Inoana fa hitondra fanazavana ny tena zava-niseho marina tany an-toerana.

m.L

Kartien’ny karàna : Nohamafisina ny fiambenana

0

Tsaralalàna, Andravoahangy ary Behoririka. Nahatsikaritra an’izany avy hatrany, indrindra ireo mpandeha amin’ny alina, raha vao nanomboka nisahotakotaka ny tanàna nanomboka tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Ireo misy be teratany karàna mpivarotra no tena betsaka ny fisafoana ataon’ny mpitandro ny filaminana. Tsy izay ihany fa misy olon’ireo farany miandry ireo toerana. Midika izany fa misy tahotra avy hatrany eo anivon’ireo mpandraharaha karàna taorian’ny zava-niseho, indrindra koa raha nisy ny fisamborana ny sasantsasany izay noheverina hatrizay fa tsimatimanota. Tsy ny karàna ihany fa ny mpivarotra sinoa sasantsany ihany koa dia mahana avy hatrany ary nisy aza omaly ny tsy namoha ny varotra mihitsy. Tetsy Behoririka no tena nahitàna an’izay. Ho an’ny frantsay indray dia mandeha hatrany ny fandefasana hafatra fohy (sms) ho an’ireo olony eto Madagasikara, indrindra eto an-drenivohitra, izay manome torolalana ny amin’ny toerana tokony haleha sy tsy haleha. Afak’omaly ohatra dia nanafatrafatra ny masoivohon’izy ireo eto an-toerana ny mba tsy handehanana eny Ambohidahy sy Mahamasina. Raha atao bango tokana dia samy miahiahy avokoa izany ny teratany vahiny monina eto amintsika taorian’iny raharaha Namontana iny.

D.R

Tsiazotafo : Lehilahy iray maty tao anaty hotely

0

Narary tampoko ary dia namoy ny ainy tao anaty hotely nivantanany ny lehilahy iray eo amin’ny 55 taona eo. Omaly no niseho izany teny Tsiazotafo. Ny loharanom-baovoa no nahafantarana fa avy any Sainte Marie ity olona ity izao nivahiny teto an-drenivohitra izao ary tokony hiverina any. Ny loharanom-baovoa no nahafantarana fa tsy nisy nanampo izao tranga izao ireo tao amin’ilay hotely. Vao tonga izy ary toa hoe tsy mbola nahazo efitrano akory dia nitambotsitra am-pitoerana teo. Nikoropaka ny rehetra nanavotra azy ary nitondra azy haingana tany amin’ny hopitaly. Tsy tana anefa ny ainy na dia natoa avokoa aza ny famelomana rehetra.  Amin’izao fotoana izao dia efa ao amin’ny tranom-paty eny amin’ny HJRA ny razana. Ny tombatombana dia ny hoe ankevitry ny nijanona tampoka ny fony ary izany no nitarika ny fahafatesany.

nangonin’i r.s.

Tana : Miverina indray ny “pointe”

0

By-pass, marais Masay ary Analakely. Nahatsikaritra an’izany avokoa angamba ny mponin’Antananarivo. Miverina tanteraka ankehitriny ny “pointe” amin’ny fiara sy moto eto an-drenivohitra. Ny etsy amin’ny by-pass, mazava ho azy, dia eo amin’ny lalam-pirenena mihitsy no mifandahatra ny fiara haingam-pandeha, ary misy mihitsy aza ny miloka. Etsy Masay indray dia matetika ny moto no tena mifampitsapa eo. Ireo làlana roa ireo dia efa samy namoizana ain’olona maro avokoa. Vao tamin’ny alatsinain’ny pentekoty teo, ohatra, no nisy mpandeha an-tongotra namoy ny ainy rehefa nofaohin’ny moto bol d’or. Etsy Analakely indray rehefa alina dia tsy fifaninanana loatra fa kosa ireo mpisetrasetra amin’ny fiara sy moto no tena betsaka. Eny anefa no toerana isan’ny be olona indrindra na amin’ny alina aza. Misy ny mpitandro ny filaminana saingy rehefa mandalo eo amin’ny hafainganam-pandeha 120km/h ohatra ny fiara iray, tsy misy na inona na inona azon’izy ireo atao…

D.R

Toliara : Miandahy miambavy hatramin’ny ankizy mitsindroka zaoridira

0

Lalim-paka ny fahantrana. Mitombo isa saika isan’andro, ireo tsy an’asa sy olona sahirana ara-pivelomana teren’ny fiainana; izay mitady ny harapaka anio mitsindroka fako zaoridira ao Toliara. Miandahy miambavy ny manao izany  ary mirotsaka hatramin’ ireo ankizy tsy ampy taona tokony mbola ho any an-tsekoly. Manampy sahady ny ray aman-dreniny amin’ny fitadiavana maka sy manangona ireo harona « sachet plastique » sy potin-tsaribao ary entana hafa azo avadika ho vola hividianana sakafo. Misy maka sy manangona hatramin’ny sakafo masiso efa simba. Vao migadona ny fiaraben’ny kaominina manary fako, dia mirohotra ny olona ary misy ny vaky ady mihitsy, toy ny tranga omaly maraina tao Anketraka Tsongobory, toerana fanariam-pako iray avaratry ny tanànan’i Toliara. « Teren’ny fiainana noho ny kibo tsy mba lamosina, dia hadino tanteraka ny henatra sy ny vavan’olona ary miaritra ny fofona maimbo manempotra toy izao izahay, zara raha mahazo 400 ariary isan’andro », hoy ireo mpitsindroka fako.
Eric Man

Tanjombato : Miparitaka ny simenitra hosoka

0

Velon-taraina ireo mponina, indrindra fa ireo mpanorina trano eny amin’iny faritra Tanjombato ity. Raha ny filazan’izy ireo mantsy dia tsy mitana mihitsy ilay simenitra, kanefa dia isan’ireo marika malaza eto an-toerana. Misy tamin’ireo olona ireo no mahatsikaritra fa saika ireo simenitra nalaina tao amina mpamongady iray eny an-toerana io tsy mamely io. Araka ny filazan’ireo olona hatrany dia toa hoe, simenitra efa simba sy ilay efa mivaingana ireny no averin’ny tompon’ity tranombarotra ity, izay teratany vahiny, vakiana sy potehina ho lasa vovoka indray, ary averiny ao anatina kitapo vaovao. Nambaran’ny loharanom-baovao hatrany fa kitapona simenitra efa niasa maromaro no ampiasainy amin’izany, ary mampiasa olona maromaro ny tompon’ny fivarotana amin’ny fitotoana ireo simenitra mivaingana ireo. Roa arivo ariary eo ho eo no karaman’ireo mpiasa ireo. Etsy andanin’izany anefa dia somary hafahafa ihany ity tranom-barotra iray ity, satria dia miovaova anarana foana. Efa nisy ihany koa ny fampahafantarana nataon’ireo mponina tamin’ny tompon’andraikitra mikasika izao hosoka izao, fa indrindra ihany koa ny fomba fampiasana ireo mpiasa ao amin’ity orinasa ity, saingy toa mbola manohy ny fanaony foana ity tompon’ny fivarotana ity, raha ny voalazan’ireo olona teny an-toerana hatrany. Eo anatrehan’izany dia manao antso avo izy ireo. Ambonin’ny vola very tokoa mantsy ho an’ireo mpanjifa, dia mety ho loza mitatao ho an’ny rehetra ny amin’ny mety ho firodanan’ny trano izay hamboarina tokoa mantsy ny fisian’izao simenitra hosoka izao.

Nangonin’i m.L