Naharay fitoriana teratany Sinoa iray ny Polisy avy ao amin’ny Faritany Ambohidahy ny volana oktobra 2013 lasa teo mahakasika fisolokiana sy fivadiham-pitokisana. Ny volana aprily 2013 dia nindrana “Groupe éléctrogène” iray tamin’ny namany ny lehilahy teratany sinoa iray antsoina hoe “Yong Yu Hai”, izay mitentina 27 millions d’Ariary. Nilaza ity farany fa handeha ho any ambanivohitra tsy misy herinaratra ka dia hampiasainy any izany. Nentin’ny fahatokisana azy ireo namany ka dia nampindrana azy tsy am-pihambahambana. Nony tonga avy any ambanivohitra ity mpindrana dia tsy nilaza ny fahatongavany tamin’ireo namany, fa ireo farany no mahita azy mifindrafindra hotely ipetrahana ka dia nanatona azy. Rehefa izay dia fandrahonana amin’ny basy sy sabatra no ataony amin’ireo olona nampindrana azy ilay “Groupe éléctrogène” ka tsy sahy nanatona azy intsony ireto farany fa naleony nanatona ny Polisy tao amin’ny Faritany Ambohidahy. Tamin’ny alakamisy, 14 novambra teo dia nahazo vaovao ny Polisy fa eny amin’ny Hotely eny Talatamaty ity sinoa nivadi-pitokisana ity ka dia nidina teny an-toerana ny Polisy. Teo am-pivoahana ny Hotely ity farany no nosamborin’ny polisy ary saika hamaly sy hitsoaka. Marihana fa tsy manana trano ipetrahana raikitra ity sinoa ity. Rehefa voasambotra izy dia tsy nisy taratasy nahafantarana azy teny aminy, ary rehefa nosavaina ilay trano nipetrahany dia nahitana sabatra iray. Omaly izy no natolotra ny Fampanoavana ary naiditra am-ponja vonjimaika
A.R.