- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
Accueil Blog Page 10883

Tapatapany

0

# – BEALANANA. Ady tany niteraka fifandonana teo amin’ny fokonolona. Noho ny resaka ady tany dia raikitra ny fifandoana teo amin’ny fokonolona tao Marovato – Beanjezika, Bealanana. Voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana nandamina ny raharaha. Tapaka fa tsy misy mahazo mampiasa ny tany mandrapahatongan’ny manampahefana avy aty Antananarivo.

# – BRICKAVILLE. Trano 82 kilan’ny afo. Loza nitranga tao amin’ny fokontany Morafeno Brickaville ny alahady teo. Trano  82 no indray simban’ny afo. Vokatry ny filalaovana afo nataona tovovavy kely iray no nahatonga ny loza. Vokany, olona 284 no tsy manan-kialofana tamin’ity hain-trano ity.

# – AMBOASARY ATSIMO. Dahalo 5 matin’ny fokonolona. Ny alakamisy teo no notafihan’ny andian-dahalo tany Betsomoty, kaominina Mahandro ,distrika Amboasary Atsimo , ka niroso tamin’ny fanarahan-dia ny zandary avy any Tolagnaro. Raikitra ny fifanjevoana ka dahalo 5 no namoy ny ainy. Tafaverina avokoa ny omby 37 tamin’ireo 47 norobain’ireo malaso.

# – AMBILOBE. Ady kariera, olona maro naiditra “violon”. Noho ny famakiana toerana iray fitrandrahana volamena ao Betsiaka – Ambilobe dia olona maromaro no nosamborina ary notanana vonjimaika. Noho ny olana amin’ity toerana ity dia voatery nohidina izany, saingy nisy namaky. Nidina tany an-toerana ny EMMO-REG avy any Antsiranana nandamina ny raharaha.

# – IAVOLOHA. Zaza niampita voadonan’ny fiara. Lozam-pifamoivoizana nitranga tetsy amin’ny PK 30 tamin’ny làlam-pirenena faha-7, tao amin’ny fokontany Ambalavao, afak’omaly tamin’ny 6 ora sy sasany hariva. Zaza niampita no voadonan’ny fiara P. 405. Naratra ilay zaza, ary ilay fiara kosa nivarina tanaty hantsana.

Nangonin’r.s.

Développement rural : Concertation avec le grand public ce vendredi

0

La matinée du développement rural se tiendra dans les locaux de la Vice-primature chargée de l’Economie et de l’Industrie (VPEI) à Anosy, le 29 novembre prochain. Le thème de cette rencontre ouverte à tout public se portera sur « Les stratégies des services étatiques, face aux demandes des différentes organisations et fédérations paysannes, en matière de développement agricole à Madagascar ». Par ailleurs, le Tranoben’ny Tantsaha et les organisations paysannes faîtières à Madagascar présenteront leur points de vue sur les stratégies d’intervention et les attentes en matière de services agricoles ; ainsi que l’implication du Fonds pour le Développement agricole (FDA) et des Centres de services agricoles (CSA). De leur côté, les Services ministériels interviendront sur le cadrage légal et stratégique, et sur les interventions en matière d’appui aux organisations paysannes.

Antsa R.

Midongy Atsimo : Zandary iray matin’ny dahalo, roa lahy tsy hita tafaverina

0

Faritra maro eto amin’ny Nosy no ahitana sy andrenesana asan-dahalo saika isan’andro. Zandary iray no maty ka tafaverina ihany rehefa notazomin’ireo dahalo ny fatin’ilay zandary GP2C ny alin’ny alakamisy lasa teo, tokony ho tamin’ny valo ora. Efa nalefa any Ampasimanjeva distrikan’I Manakara ny zoma lasa teo ihany ny razany ary io andro io ihany koa no tafaverina ireo zandary roa lahy voalaza fa tsy hita nandritra ny fifanjevoana tamin’ny malaso, izay niafina tany anaty bozaka 100 metatra miala ny tanàna nisian’ny fifampitifirana. Araka ny voalazan’ny iray amin’ireo zandary tafaverina ireto dia matin’izy ireo ilay malaso nitifitra ka nahafaty an’ity GP2C ity. Azon’izy ireo ihany koa ny basy nentin’ilay dahalo maty, raha araka ny loharanom-baovao  avy any an-toerana.

Manitrisa

Ambohijatovo : Commandant sy vadina kolonely tratra nivarotra basy

0
Fitaovam-piadiana anisan’ny ampiasain’ny mpitandro filaminana ireo saika amaidy ireo.
Fitaovam-piadiana anisan’ny ampiasain’ny mpitandro filaminana ireo saika amaidy ireo.
Fitaovam-piadiana anisan’ny ampiasain’ny mpitandro filaminana ireo saika amaidy ireo.

Tsy mahagaga, hoy ny tompon’andraikitra raha miparitaka any amin’ny jiolahy ny basy

Noho ny vela-pandrika nataon’ny polisy avy ao amin’ny “section N°6” avy ao amin’ny “Brigade criminelle” dia olona roa no voasambotra tetsy Ambohijatovo raha saika hivarotra basy. Ilay voalohany dia lehilahy izay voalaza fa miaramila efa misotro ronono ary nitondra ny grady Commandant. Ilay faharoa kosa dia vehivavy vadina kolonely. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra avy ao amin’ny polisim-pirenena dia basy mahery vaika no sady fitaovam-piadiana fampiasan’ny mpitandro ny filaminana avokoa ireo tratra teny amin’izy ireo .

Basy  roa sy bala  11  no tratra teny amin’ireto olona ireto. Ny iray  basy “ revolver” marika Colt, ary mitondra ny laharana F 91 757 vita avy any Frantsa miaraka amin’ny bala 4. Ny basy faharoa kosa dia “ pistolet automatique Mac 35 calibre 7,65mm. Ity basy iray ity dia nofafana ny tena laharana ary nosoloina 6633, raha toa ka manomboka amin’ny litera A ary miafara amin’ny tarehimarika 1 ny laharana tena izy. Bala  7 kosa no niaraka tamin’ilay basy Mac 35. Ny dimy dia « lotissement Sfi 81 », ny roa kosa dia lotissement 11;97.

Omaly moa no natolotra ny Fitsarana ireto olona roa ireto, izay nilaza fa tany amina olona mipetraka any Ambalavao no nahazoany ny basy ary efa maty io olona io. Fitazonana, sy fivarotana ary fampiasana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alàlana ara-dàlana no vesatra anenjehana azy ireo. Nahazo fahafahana vonjimaika izy roa raha araka ny vaovao azo farany. Vaovao izay tsy nankasitrahan’ny pôlisy loatra, satria amin’izy ireo dia tafapetraka avokoa ny vesatra nanenjahana : tratra ambodiomby, trafikam-basy, fanakorontanana anaty (atteinte à la sûreté intérieure de l’Etat).

Aina R.

Fitifirana an’i Mamy Be : Najavona ny « douilles-na bala » nitifirana azy

0

Tsy nisy hita ny taim-bala (douilles), saingy mbola azo atao tsara ny manompana ny fanadihadiana avy amin’ny alàlan’ny bala izay tavela tao anaty vatan’ny maty. Ny pôlisy siantifika sy teknika no hanatontosa an’izany fitsirihana izany raha ny fahafantarana azy. Ny antony dia ny mba hamantarana ny fiavian’ny bala nitifirana ary mifanaraka amin’izay ny basy tokony ho nisy azy. Mazava hoazy fa hiafara amin’ny famantarana ny tompony izany, indrindra raha sanatria eo anivon’ny mpitandro ny filaminana ny tompon’antoka. Ny tsy fahitàna ny “douilles”, raha tsy hoe tena notsimponin’ny mpamono tokoa izany (toe-javatra izay tsy dia mateti-pitranga ihany, raha tsy hoe tena efa manam-pahaizana amin’ny tontolon’ny fanadihadiana angaha izy ireo) dia mety afaka manazava fa “revolver” no nentin’ireo olon-dratsy nitifirana an’i Mamy Be. Io karazam-basy io mantsy dia tsy mamoaka taim-bala fa mijanona ao anatiny ihany izany ,rehefa avy hitifirana. Ankoatr’izay dia mbola hironan’ny fanadihadiana ihany koa, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny pôlisy, ny fifandraisany tamin’ny mpivarokena hafa. Raha tsiahivina mantsy dia mivelona amin’io asa io izy. “Nisy ny fifandonana tamin’ny mpivarokena hafa, raha araka ny heno  ary mazava hoazy fa hirona amin’izany koa ny fanadihadiana” raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Farany dia hirona any amin’ny fifandraisany tamin’ny antoko politika nisy azy ny fanadihadiana, hoy ihany ny loharanom-baovao mitovy. Maro arak’izany ny olona hohenoina momba ity raharaha vonoan’olona tetsy Ambodinisotry ity.

D.R

Ambassade Indonésie : Appel à un don de sang

0
Un don de sang pour le maximum de poches de sang est vital pour d’autres.
Un don de sang pour le maximum de poches de sang est vital pour d’autres.
Un don de sang pour le maximum de poches de sang est vital pour d’autres.

Comme chaque année, l’ambassade de l’Indonésie organise un geste citoyen qui peut sauver des vies. Il s’agit de donner du sang à titre tout à fait gratuit. C’est ainsi qu’elle appelle tous les citoyens de bonne volonté à venir donner leur sang, à l’ambassade de l’Indonésie à Ankorondrano, de 8 h 30 à 13 h. Cette grande opération est réalisée avec la collaboration de l’hôpital HJRA où se trouve la banque de sang.

Anjara Rasoanaivo

Chargé d’Affaires d’Algérie : Pour un deuxième tour dans les meilleures conditions

0
Le chargé d’Affaires d’Algérie en compagnie du ministre des Affaires Etrangères malgache. (Photo Yvon RAM)
Le chargé d’Affaires d’Algérie en compagnie du ministre des Affaires Etrangères malgache. (Photo Yvon RAM)
Le chargé d’Affaires d’Algérie en compagnie du ministre des Affaires Etrangères malgache. (Photo Yvon RAM)

A l’occasion du 59e anniversaire de la révolution du 1er novembre 1954, le chargé d’Affaires d’Algérie, Alim Mohamed, a retracé la lutte que ce pays a menée. La cérémonie s’est déroulée, hier, au Carlton. Dans son allocution, il a souligné l’attachement des algériens à la liberté. Tout en soulignant au passage que les élections présidentielles et les législatives sont prévues pour l’année prochaine. Par ailleurs, il a salué la sagesse du peuple malgache, lors du premier tour. Il souhaite également que le deuxième tour se déroule dans les meilleures conditions. Et ce, dans la sérénité, respectant les principes démocratiques. L’objectif étant de mettre fin définitivement à la crise.

Dominique R.

AMADIA Toamasina : 8 mineurs sous insuline pour toute leur vie

0
Fort engouement lors du dépistage du diabète au grand port, à Toamasina. (Photo Jean-Claude Steve)
Fort engouement lors du dépistage du diabète au grand port, à Toamasina. (Photo Jean-Claude Steve)
Fort engouement lors du dépistage du diabète au grand port, à Toamasina. (Photo Jean-Claude Steve)

Huit jeunes tamataviens ont attrapé le diabète à la naissance si bien qu’ils sont obligés de prendre de l’insuline toute leur vie. C’est ce que l’on a appris du Dr Andriamanonga Jean Marie, coordonateur local de l’association malgache de lutte contre le diabète (AMADIA) de Tamatave lors de la célébration de la journée mondiale contre le diabète à Toamasina.

L’antenne locale est à sa 5e année consécutive de célébration de la journée mondiale. Les membres actuels de l’antenne locale de Toamasina se sont retrouvés au domicile d’un past président du Lions club. C’est dans un coin à Tamatave que l’AMADIA Toamasina a vu le jour. 3 000 dépistages sont tenus durant les mandats 2012 – 2013 et déjà 450 depuis le mois de juin dernier. Pour ces mêmes périodes, 3 600 et 4 500 consultations sont tenues dans les trois centres à savoir le cabinet médical à la cité Béryl Rose, Valpinson et SOAVA au siège de l’association. Ainsi, une centaine de personnes a rejoint le rang des membres actifs de l’AMADIA locale qui compte 400 membres en 2012 – 2013. Ces membres et plus particulièrement les diabétiques sont pris en charge et bénéficient d’une éducation thérapeutique avec des médecins spécialisés.

Diabète du à l’alcool. Pour marquer la journée mondiale, l’AMADIA a organisé une série de dépistage du diabète au grand port. Le taux de prévalence du diabète sur la zone littorale Est de la Grande Ile est de 5 % et ce sont surtout les femmes qui en sont atteintes avec un taux de sucre assez élevé. Sur 350 personnes passant le test de glycémie, une trentaine est diagnostiquée avec un taux de sucre assez élevé. Le taux de 9 % a retenu tout particulièrement l’attention des membres de l’A MA DIA Toamasina. Ainsi, « un quatrième type de diabète est enregistré dans la région Atsinanana et Analanjirofo. Néanmoins, elle n’est pas encore reconnue par l’Organisation Mondiale de la Santé. C’est le diabète dû à la consommation sans modération d’alcool. La maladie déclarée souvent au cours de l’enfance ou de l’adolescence dite diabète de type 1 est une maladie génétique qui a pour conséquence l’attaque de certaines cellules du pancréas. Le « diabète de la maturité » ou le diabète de type 2 est de plus en plus fréquent chez les enfants et les jeunes à cause du mode de vie actuel. Et dernièrement, la maladie que les femmes peuvent contracter au cours du 2e trimestre de leur grossesse est différente des diabètes de type 1 et 2. Ce diabète gestationnel disparaît après la naissance du bébé » a tenu à faire remarquer le Professeur Ratsivalaka Razafy et non membre du Lions Club de Tamatave puis conseiller au sein de l’AMADIA. Des points focaux verront le jour dans les mois à venir. La sensibilisation et le dépistage sont en vue dans les districts de Fenerive Est, Sainte Marie, Vatomandry et Brickaville en premier lieu.

Jean-Claude STEVE

Fonds africain de développement : La part de Madagascar, en baisse continue depuis la crise

0
Les financements octroyés par la BAD diminuent à cause de la mauvaise gouvernance.
Les financements octroyés par la BAD diminuent à cause de la mauvaise gouvernance.
Les financements octroyés par la BAD diminuent à cause de la mauvaise gouvernance.

L’allocation de Madagascar au titre du huitième Fonds africain de développement (FAD XIII), qui portera sur la période 2014-2016 ne connaîtra pas d’augmentation selon les représentants de la Banque africaine de développement (BAD). Pourtant pour la période 2011-2013, la part de Madagascar a déjà été réduite de moitié.

La mission d’identification multisectorielle et de consultation sur les résultats de l’évaluation indépendante de la coopération entre la BAD et Madagascar, sur la période 2002 à 2012, a été lancée hier à l’Ibis Ankorondrano. Un atelier de dix jours est donc organisé pour le partage de résultats provisoires sur l’évaluation, en vue de susciter un débat avec les parties prenantes, sur les constats et recommandations qui en émergent. Notons que durant cette période d’évaluation, la banque a financé au total 16 nouveaux projets sur un montant global de 330,6 millions d’unités de comptes, soit environ 1 128,8 milliards d’Ariary. 31,8 % de ces financements ont été alloués dans l’appui au secteur privé, 29 % ans pour les appuis budgétaires et finances publiques, 15,4 % dans l’eau et assainissement, 12,4 % dans le transport, 9,7% dans le développement rural et 1,8 % dans le secteur social. Par ailleurs, la banque a également financé cinq projets d’aide d’urgence pour un montant total de 2,98 millions d’unités de comptes, soit près de 4,6 milliards d’Ariary, suite aux dégâts causés par les catastrophes naturelles récurrentes dans le pays.

Réductions. Les projets qui seront identifiés au cours de l’atelier de dix jours, ne seront pas forcément financés par la BAD, d’après le représentant résident de cette banque à Madagascar. « La crise politique en cours a contribué à la réduction, de façon considérable, des ressources allouées à Madagascar, à l’issue de reconstitutions successives des ressources du FAD », a-t-il évoqué dans son discours. Notons que l’allocation initiale de Madagascar au titre du FAD XI était de 156,2 millions d’unités de comptes sur la période 2008-2010. Ce montant a été réduit à 62,75 millions d’unités de comptes, à la fin du cycle du FAD XII, couvrant la période 2011-2013. Pour le FAD XIII qui portera sur la période 2014-2016, la somme attribuée à Madagascar n’est pas encore connue, mais elle ne connaîtra pas d’augmentation. « Au mieux, le montant sera maintenu au niveau de celui de la dernière période. Plusieurs paramètres sont considérés dans la détermination de ce fonds pour chaque pays. Pour Madagascar, la banque soutient la bonne gouvernance pour bien gérer le peu de ressources disponibles. Cela impose également la sélectivité dans les projets prioritaires qui auront été identifiés, discutés et retenus », a affirmé Nyaki Z. Kaningbs, chargé principal des opérations au sein de la BAD Madagascar. A noter que la construction d’infrastructures, l’intégration régionale, le soutien au secteur privé et la formation des jeunes figurent parmi les priorités définies par la BAD.

Antsa R.

Quincaillerie nationale : Nisy naka an-keriny ny tompony omaly

0

Tokony ho tamin’ny dimy ora hariva omaly no nisy naka an-keriny ny karàna iray tompon’ny “quicaillerie nationale” ao Toamasina. Iny izy handeha hivoaka ny toeram-pivarotana iny, raha avy nanidy izany, no tonga ireo olon-dratsy. Nandeha fiara tsy mataho-dàlana izy ireo ary nanambana basy no sady nampiditra an-keriny ilay karàna tao anatiny. Tamin’ny ora nanoratanay omaly dia mbola tao anatin’ny fanenjehana tanteraka ny mpitandro ny filaminana. Mafampana ny asan-jiolahy ao Toamasina. Ny faran’ny herinandro teo dia nisy ny roalahy, izay voasambotry ny polisy ary voaporofo fa olona mbola tokony higadra izy ireo no nomena basy handroba. Mpitandro ny filaminana no tompon’ny basy. Mafampana…

D.R/JC Steve