- Publicité -
vendredi, novembre 27, 2026
- Publicité -
Accueil Blog Page 9717

Tsiroanomandidy : Miaramila roalahy namono nahafaty « quartier mobile »

0

Miverina indray ve ity tsy fahazakàna fahefana ataon’ireo mpitandro filaminana sasantsany mpihoatra vala? Ny zoma hariva lasa teo, “quartier mobile” iray fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Naivo QM, no namoy ny ainy rehefa tsy nahazaka intsony vono sy ny daroka natao azy. Araka ny fampitam-baovao azo dia miaramila roalahy, mitondra ny gradina kapôraly ny iray no nahavita izao habibiana izao, tao Ankianjandravonjy, ao amin’ny  fokontany Tranohaolo, kaominina Ambalanirana, distrikan’i Tsiroanomandidy. Ny atoandron’ny zoma lasa teo no nosamborin’ny miaramilan’ny DAS tao an-toerana ity pôlisim-bohitra ity. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay anton’ity fisamborana ity, indrindra moa fa ny anton’ny famonoana ho faty azy toy izao, hoy hatrany ny vaovao avy amin’ny zandary tany an-toerana. Rehefa nosamborina moa ity “quartier mobile” ity, dia tsy nisalasala ireto miaramila roalahy nidaroka sy namono ity lehilahy ity tamin’ny vodi-basy. Mafy loatra mihitsy ny vono nahazo azy tamin’io fotoana, hany ka tsy nahazaka izany intsony ny tenany fa nindaosin’ny fahatesana ny alin’io zoma io. Marihana fa miaramila samy miasa ao amin’ny R3A ao Betongolo ireto tompon’antoka tamin’izao vono nitarika fahatesana izao, raha ny fampitam-baovao hatrany. Fantatra fa efa mandeha ny famotorana mahakasika ity raharaha ity amin’izao ary ny vondro-tobi-paritry ny zandary ao Bongolava mihitsy no miantsoroka ny fanadihadiana.

m.L

Fisolokiana avo lenta : Efa mandeha ny fitoriana ilay parlemantera voarohirohy

0

Telo taona aty aoriana mbola tsy hita izay marina mahakasika ilay raharaha fisolokiana avo lenta nataona solom-bavahoaka iray, tompona orinasa fanafarana entana avy any am-pitandranomasina. Saika arirariran’ity parlemantera ity foana mantsy ny fitakian’ireo vondron’olona voasoloky, izay miisa eo amin’ny sivy eo raha ny filazan’izy ireo. Teo anatrehan’izany dia nanapa-kevitra ny hanatona mivatana ireo solontenam-panjakana mahefa izy ireo mba hijery akaiky ity zavatra manjo azy ireo ity. Ary dia tsy nisy ny vokatra. Fantatra araka ny tafatafa tamin’ny mpanao gazety nataon’ny solon-tenan’izy ireo tetsy Anjanahary fa efa nahazo taratasy  manome alalàna avy amin’ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena izy ireo, ahafahana manenjika ity ramatoa ity eny amin’ny tribonaly. Mbola miandry ny fanesorana ny zo tsy ho azo enjehina  anefa ireto lasibatra ireto, izay tokony ho ao anatin’ny lahadinik’ireo solom-bavaoaka amin’ny fivorian’izy ireo. “Isaoranay etoana ny Filohan’ity andrim-panjakana ity tsy nijery anay fotsiny fa tena nandray ny andraikiny tokoa. Torak’izany ihany koa ireo solon-tenam-panjakana rehetra tsy nanao ankilabao ity raharaha ity” hoy Rtoa Ramahafalisoa  Sahoby, filoha tale jeneralin’ny vondrom-pampianarana Petit Nid, solon-tenan’ireo voasoloky. Eo anatrehan’izany dia efa mandeha ny fitoriana ity parlemantera voarohirohy ho nisoloky mpandraharaha maromaro ity. Efa nalaina am-bavany teny amin’ny pôlisy ireto mpitory, anjaran’ilay solom-bavahoaka sisa, hoy ny fanazavana. Marihana fa miisa sivy izy ireo no anatin’ity vondrona ity ary efa mitentina amina miliara maromaro no teti-bidin’ny  entana natelin’ilay orinasa. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

m.L

Ministeran’ny Fitsarana : Nisy namaky, very ny fitaovana informatika

2
Tonga teny an-toerana ny BC sy ny pôlisy siantifika.
Tonga teny an-toerana ny BC sy ny pôlisy siantifika.
Tonga teny an-toerana ny BC sy ny pôlisy siantifika.

Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo no nisy olona niditra dia namaky ny biraon’ny Ministeran’ny Fitsarana, etsy Faravohitra. Ny toerana dia misy mpiambina andro aman’alina, ary raha ny tombana dia teo amin’ny toerana fidiran’ny Minisitra sy ny olona ambony eo anivon’ny minisitera no nidiran’ireo olon-dratsy. Tany ambany rihana ary tao amin’ny departemanta iray misahana ny raharaham-pitsaràna no nitranga ny asaratsy. Novakiana ny trano dia nobataina tao ny solosaina sy ny kojakoja rehetra mifandraika amin’izany. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any no nitranga ny famakiana ilay birao. Omaly antoandro no tonga teo an-toerana ny pôlisy siantifika sy ny lehiben’ny sampan-draharahan’ny pôlisy misahana ny fanadihadiana mahakasika ny heloka bevava. Tsy mbola nisy ny fanazavana ôfisialy mahakasika ity raharaha ity saingy raha ny tsilian-tsofina heno teny an- toerana dia ahiana ny nisian’ny antontan-taratasy ara-pitsaràna very nandritra ity asan-jiolahy ity. Tsy nisy afa-tsy io birao io ihany no vaky, raha araka ny fanampim-baovao azo teny an-toerana. Tsy vao voalohany no nisian’ny minisitera vaky ary matetika dia tsy tonga hatramin’ny farany hatrany ny fanadihadiana. Ny tsikaritra ihany koa dia zara raha nisy  very rehefa mitranga izany. Mametra-panontaniana ny maro hoe raha hangalatra solosaina ve dia eo anivon’ny birao iray ihany no hanatontosana an’izany ? Andrasana ny vaovao ôfisialy…

D.R

Etats-Unis : « American corner » installé à Taolagnaro

0

L’American Corner à Taolagnaro a été officiellement inauguré lors d’une cérémonie présidée par le ministre des Affaires Etrangères Béatrice Atallah, le Premier conseiller de l’ambassade des Etats-Unis Stephen Anderson et par le président de QIT QMM Ny Fanja Rakotomalala. Lors de son allocution, le Premier conseiller de l’ambassade a déclaré « en créant un American corner ici nous prenons note de la relation de longue date entre les Etats-Unis et Fort-Dauphin. Avec ce nouveau centre, nous nous réjouissons d’un engagement continu pour les nombreuses années à venir ».

Recueillis par Dominique R.

Soavimasoandro-Amboditanimena : Zaza vao teraka, hita faty tanaty sakaosy, nafangaro toto-kena sy vary

0

Raha mangidy fatratra ny fahoriana ho an’ireo izay namoy zanaka tamin’ny lozam-piarakodia izay nifanesisesy teto an-drenivohitra dia tsy mba toy izany kosa ho an’ny sasany. Zazalahikely menavava iray indray no hita faty teny amin’ny fanariam-pakon’ny faritra Amboditanimena, fokontanin’ny Soavimasoandro ny marainan’ny alahady lasa teo. Vao maraina dia gaga ny mponina manodidina raha nahita sakaosy iray notaritaritin’ny alika eran’ny làlana. “Nisy sakaosy iray nifampisitonan’ny alika niala avy teo amin’ilay fanariam-pako. Ny dian-drà nanaraka an’ilay sakaosy no nanaitra anay hampiantso ny tompon’andraikitra”, hoy ny iray tamin’ireo nanatri-maso.  Niantso haingana an’Andriamatoa Rakotozafy Jean Chrysostome moa izy ireo mba hijery akaiky ny zava-misy. Indrisy moa fa efa ny vata-mangatsiakan’ilay zaza tsy manan-tsiny izay efa tsy nisy tànana ila intsony no novantanin’izy ireo. Mba ho fanaronana ny zava-doza tsy hisy hahatsikaritra moa dia nofenoin’ireo nahavanon-doza vary sy toto-kena ny sakaosy nisy ilay zaza. Raha ny fandinihan’ny nanatri-maso dia tsy mponina avy eny velively no nahavanona izao loza mihoam-pampana izao fa mety fiara nandalo vao mangiran-dratsy no nanipy ity sakaosy ity, teny an-toerana. Raha ny fanamarihana azo hatrany moa dia zaza vao teraka mihintsy izy ity satria dia mbola nanaraka azy teny ny tadim-poitrany. Manoloana ny tsy fisian’ny “poste de police” eny an-toerana dia manararaotra hatrany ireo tsy mataho-tody manao ny asa ratsiny, toy ity tranga mampalahelo ity. Ny polisy eo Analamahitsy no tonga nandray an-tànana ny raharaha ka efa misokatra izao ny fanadihadiana. Tokony tamin’ny 9 ora teo ho eo kosa ny BMH no tonga naka ny razana teny an-toerana.

Niony H.

IMGAM : Faciliter l’insertion professionnelle des étudiants

0

L’Institut du Management des Arts et de Métiers (IMGAM) est à sa deuxième édition du « salon des études, entrepreneurs et créateurs ». Pour cette édition, qui s’est tenue hier à son siège à Ivandry, il a été question de trouver le moyen de faciliter l’insertion des jeunes étudiants dans le monde professionnel, après leurs études. « À l’IMGAM, on favorise l’ouverture des étudiants au monde extérieur. De nos jours, les entreprises cherchent des jeunes tout de suite opérationnelles. Voilà pourquoi nous travaillons avec ces sociétés, afin de préparer nos jeunes à affronter le monde du travail et en fonction de leurs besoins », souligne Bruno Ramihone, directeur de la communication et chargé de relation avec les entreprises au sein de l’IMGAM. Pour ce faire, les étudiants participent à des foires comme l’ASIA-OJ ou encore prochainement la FIM. Ils effectuent aussi, des visites d’entreprises. Une dizaine d’exposants ont participé au salon et ont exposé leurs produits respectifs, dont le Club des étudiants entrepreneurs (CERE), qui a pour objectif « rendre Madagascar un pays d’entreprenariat ». Chaque région de la Grande île a été aussi valorisée. Les étudiants originaires de Djibouti et Comores ont également participé à l’exposition.

Nirina Rasoanaivo

Mouvements syndicaux : Le Sénat tente la médiation

0

Le Bureau permanent du Sénat prend ses responsabilités pour résoudre les foyers de tension actuels. Le président du Sénat Honoré Rakotomanana souhaite donc intervenir pour apaiser la tension actuelle provoquée par les mouvements syndicaux. Et ce, afin d’éviter une explosion sociale. En effet, le Bureau permanent de la Chambre Haute convoque demain 4 mai, une rencontre avec tous les syndicats. 10 représentants par syndicat sont conviés pour cette rencontre dont l’objectif est de tenter de trouver un terrain d’entente pour inciter les syndicalistes à stopper leur grève. En quelque sorte, le Bureau permanent du Sénat prévoit de diriger une médiation en vue de résoudre les problèmes syndicaux par le dialogue. Reste à savoir si cette initiative va aboutir. Bien malgré les efforts déjà fournis par le gouvernement dans le cadre de la résolution de cette « crise sociale », les différents syndicats ont décidé de maintenir leur mouvement. Et ce, même si les manifestations du 1er mai et celle organisée hier au Palais de Justice d’Anosy semblent avoir été plus clairsemées. Quoiqu’il en soit, bon nombre d’observateurs estiment que les manifestations de rues actuelles ont un dessous politique.

Davis R

Art de la rue : Les jeunes se mobilisent

0

CRAM-(1)CRAM-(3)ampefilouA Ampefiloha, à Ampandrana et à l’université d’Ankatso, grâce à la programmation du Craam à travers le projet M’KoloSaina, l’art de la rue transforme les villes. L’initiative des jeunes est louable !

Tandis que certains remplissent leurs murs virtuels et taguent leurs amis, les artistes eux préfèrent taguer les murs de la ville pour les rendre plus beaux et plus attractifs. Une prise de responsabilité louable puisque grâce à leur talent et à leurs initiatives, les quartiers se transforment. A Ampefiloha, le projet Rangotra, mené par Jamerla Koon Action, égaie le quartier, et crée une véritable galerie à ciel ouvert qui mérite le détour. Une fresque murale loin des peintures défraîchies, ou des messages politiques stériles. La visite peut même se transformer en circuit touristique ! Pourquoi pas ?! C’est un peu partout dans le quartier que les murs parlent grâce à des œuvres artistiques. Il aura fallu 5 jours pour peindre ce grand mur, et cela a valu la peine.

A Ampandrana, le festival Kolontsaina anaty Elakelatrano a également transformé le quartier. Grâce à l’initiative de jeunes, encore une fois, les artistes ont pris leurs pinceaux pour s’éclater sur les murs. Désormais, le quartier est plus joli, et l’on fait attention à ne pas salir puisqu’il s’agit là d’œuvres d’art, et les riverains apprécient. Les artistes ont pris 2 jours pour tout peindre, et là aussi, le résultat est à la hauteur des attentes.

A l’université d’Antananarivo, le mois consacré à l’art des rues, dans le cadre du « Street arts in da place » du projet M’KoloSaina, promet beaucoup. Ici, l’on parle de toutes les disciplines d’art relatives à la rue, allant du hip hop (musique et danse), au slam, au stand up, au spectacle, aux sports de glisse, mais aussi au graff. Les 13 et 14 mai, les tagueurs et passionnés de graffitis seront les bienvenus pour réaliser une fresque géante sur un mur de 200 m².

Dans ce pays, alors que les élus sont affairés ailleurs, laissant la population dans l’insécurité et la misère, prétextant l’éternelle pauvreté du pays, les jeunes ne se laissent pas faire et réagissent, en embellissant leurs quartiers. C’est dire que la notion de patriote ne passe ni par le pouvoir ni par l’argent, mais par la volonté !

Anjara Rasoanaivo

Maire de Bemanongo : Contre les agissements du député de Mahabo

0

Le maire de la commune rurale de Bemanonga, du district de Morondava, Roberto Miadamana dénonce les agissements du député de Mahabo qui, selon ses dires, fait pression sur lui ainsi que sur les opérateurs économiques locaux. Ce membre de la Chambre Basse étant lui-même opérateur économique. Pourtant, selon le maire de Bemanongo, il n’est pas réglo, notamment pour son autorisation de collecte et sa ristourne. Toujours selon ce maire, le préfet et le chef de région ont essayé de le convaincre de s’acquitter de ses droits. En guise de réponse, le député a qualifié ces derniers d’incompétents. Ainsi, face au comportement de cet élu, le maire va déposer une plainte au niveau du Bianco. Il se demande, par ailleurs, si ce député se croit au dessus de la loi. Dans tous  les cas, « les gens ne vont pas se laisser faire », a-t-il martelé.

Dominique R.