- Publicité -
vendredi, novembre 27, 2026
- Publicité -
Accueil Blog Page 9818

Analakely : Nisahotaka ny olona fa misy baomba nipoaka, hono

0

Nisahotaka ny olona teny Analakely tamin’ny alatsinain’ny paska teo. Tokony ho tamin’ny 3 ora tany ho any, niely mantsy ny feo fa hoe nisy baomba nipoaka hono teny amin’iny faritra iny. Vetivety foana dia toa nadio ny làlana. Ireo fiara nivezivezy samy nitady lalana nandosirana avokoa. Ireo mpandeha an-tongotra, samy nitsoaka nihazo ny làlana tandrify azy. Saika nisy lozam-pifamoivoizana mihitsy, hoy ireo mpamily sendra io resaka io teny an-toerana. Vory olona tokoa Analakely tamin’ny fotoana nisian’ity karazana tsaho ity. Maro mantsy ny olona no tsy mandeha lavitra rehefa alatsinain’ny paska fa manao ho ampy azy sy ny fiankaviany ny eny afivoan-tanàna hitondrana ny ankizy hitsangantsangana. Tsy fantatra na niniana naely izy io na nahare ny fidoboky ny afomanga teny Mahamasina ny sasany dia nanitatra ny resaka. Dia sahala ny tsaho vohizina rehetra, niova izany rehefa tafavoaka avy eny Analakely ny mpamily fiara sasany. Nisy mantsy ny avy hatrany dia namefy ny olona tsy handeha any fa hoe : « misy tifitifitra be ao ». Azo takarina ao an-tsaina avy hatrany fa efa lasa be tebiteby ny rehetra amin’izao fotoana izao, indrindra taorian’ny nahafantarana ny fipoahana baomba tany ivelmany tany. Lazaina amin’izany ny tany Bruxelles izay nahafatesana olona hatrany amin’ny 34 sy naharatrana marobe. Vao omaly, notaterin’ny vaovao avy any ivelany ny fipoahana niniana natao nafahaty olona tany Afghnanistan, sy ny sisa rehetra vokatry ny herisetra miseho etsy sy eroa maneran-tany. Tena manara-baovao ny olona amin’izao fotoana izao ary dia lasa misy ny tebiteby sy ahiahy, lasa tsy hay esorina ao an-tsaina.

r.s.

Basket-ball : La Coupe du Président au MB2All et au GNBC !

0

BASKET-(4)La Coupe du Président de la République de basket-ball a permis aux favoris de confirmer leur statut. C’était samedi dans un Palais des Sports des grands jours.

Les meilleurs ont gagné. C’est le cas de le dire avec cette victoire du MB2All chez les dames et le GNBC, le tombeur de l’ASCUT en demi-finale, chez les hommes.

Chez les dames, le suspense n’a guère duré puisque dès l’entame de la finale, le MB2All prenait l’ascendant sur le Fandrefiala avant de connaître un quatrième quart temps beaucoup plus laborieux. Touchées dans leur amour propre, les dames du Fandrefiala revenaient dans la partie et installant du coup le doute dans les rangs des amies de Miorasoa Mampionona. Cette dernière d’ailleurs élue MVP tout en étant la meilleure marqueuse de la finale parvint toutefois à réagir pour permettre à son équipe de gagner par 67 à 61.

Chez les hommes, ce furent plutôt Ihazomagaga et le COSPN qui démarrèrent en trombe la finale. Ils ont dominé les deux premiers quarts temps avant de connaître une baisse de régime conséquente dont a su profiter à merveille le GNBC de Danz Kely, toujours égal à lui-même.

Revenu de loin, les gendarmes ont même réussi à s’ »imposer sur le fil par 79 à 77 en s’offrant au passage le titre de MVP avec  Ndranto Ramorasata qui fut sacré meilleur marqueur de cette finale autant le dire épique.

L’ASUT qui nourrit encore des regrets après sa défaite en demi-finale contre le GNBC survola le match de la troisième place en battant le COSFA sur le score éloquent de 86 à 60. Une bien maigre consolation pour le jeune président de l’ASCUT, Mbola Rajaonah.

Clément RABARY

Ambovombe Androy : Une université sans mur, basculée vers le LMD

0

Doté d’une habilitation, l’établissement accueille actuellement plus de 150 étudiants.  

Le CURA ou Centre Universitaire Régional d’Androy ne possède aucune salle de classe pour accueillir les étudiants, ni de laboratoire pour les expériences scientifiques. Pourtant, cela fait maintenant trois ans qu’il a existé, c’est-à-dire depuis 2013. Malgré l’absence des infrastructures d’accueil, le Centre se prépare maintenant pour la sortie de sa première promotion en Licence III, composée d’une trentaine d’étudiants en filière Sciences. Avec l’utilisation du terme «Licence», il est clair que l’établissement «sans mur» a un système d’études qui a déjà basculé vers le LMD (Licence – Master – Doctorat). Il accueille actuellement environ 172 étudiants de LI en LIII, toujours dans l’option Sciences. «Avec l’absence de salles de classe, les étudiants manquent de concentration. Et faute de laboratoire, toutes les expériences scientifiques à réaliser par les étudiants sont effectuées dans la nature. Pour nous, faire marcher cette université est tout simplement une question de défi», explique le Pr Mara Edouard Remanevy, fondateur du CURA.

Inexistence de titre. A noter que les étudiants sont généralement issus de Fianarantsoa, d’Ambovombe, de Fort-Dauphin, et de Tuléar. Pour ce qui est des enseignants, ils sont tous des missionnaires «venus de très loin», à en croire le fondateur du CURA. «Mais cela ne leur empêche pas de faire preuve de beaucoup d’assiduité», poursuit-il. En effet, ce Centre possède déjà un terrain à Ambovombe Androy, mais la non possession d’un titre et l’inexistence de moyens retardent la construction des infrastructures, selon toujours ses explications. «Pourtant, construire une université dans cette région permettrait de réaliser tant de recherches et projets scientifiques, vu la diversité des ressources naturelles à Androy», rajoute le Pr Mara Edouard R. Bref, il lance un appel à l’Etat et aux partenaires techniques et financiers quant à la construction d’un campus, d’un bloc administratif et de salles de cours.

Arnaud R.

Lalam-pirenena faha-4 : Lozam-pifamoivoizana, dimy mianaka namoy ny ainy

0

Lozam-pifamoivoizana iray namoizana ain’olona dimy no niseho tamin’ny lalam-pirenena faha-4, omaly antoandro. Fiara Peugeot 307 iray no nivoaka ny làlana nanoloana tetezana ary farany latsaka tany anaty rano. Vehivavy lehibe iray ihany no tsy maty tamin’io loza io.

Niala tany Mahajanga ity fiara ity, nitodika hody aty an-drenivohitra hamonjy asa anio alarobia. Mpiasa avy ao amin’ny hetra ireo olona lehibe roa maty, lehilahy sy ny vadiny, ary zanany telo no indray nindaosian’ny fahafatesana niaraka taminy. Ny vaovao voaray avy amin’ny mpitandro filaminana no nahafantarana ny toerana nitrangan’ny loza. Niala 70 km eo ho eo avy ao amin’ny tanànan’i Mahajanga no niseho ity zavatra ity. Teo Ambovondramanesy. Tsy fantatra aloha izay niseho fa rehefa hiditra ny tetezan’i Tanambao, nivoaka ny làlana ilay fiara tao amin’ny fiolahana iray ary lasa tany anaty rano.Nisy avy hatrany ny famonjena nataon’ireo izay nahita ny tranga nefa voalaza fa tsy nisy azo natao intsony. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa  tonga ny talata alina aty an-drenivohitra ireo razana ireo ary hivantana eny Anosy misy biraon’ny Hetra.

r.s.

Les Hérons Vontovorona : Week-end pascal très éclectique !

0

La diversité au menu ! Certains préfèrent la musique tropicale au jazz ou à une musique plus traditionnelle. D’autres aiment carrément jouer les stars et jouer les artistes. Le week-end dernier, les responsables au sein des Hérons Vontovorona ont donc décidé de faire le bonheur de tous en  programmant plusieurs activités. Stéphanie, dimanche dernier, a ainsi fait danser tous ceux qui étaient là. Dédé Valiha a pris le relais pendant la soirée. Une prestation inédite ! Pour plus d’ambiance, les gars de Gasy Mihanta et le coach Rindra, lundi dernier ont mis l’ambiance. La fête s’est poursuivie hier avec Elsie qui se dévoilait sous toutes les facettes. Bref, un week-end très éclectique !
Mahetsaka

Vilihazo : Fasana efatra nisy namaky, razana maro very

0

Omaly maraina, olona sendra nandalo no nahatsikaritra zavatra fahafaha teo amin’ny fasana iray teo amin’ny toerana antsoina hoe Fanamaro, kamonina Vilihazo eny Avaradrano. Io no nampilaza tany amin’ny tompon’andrikitry ny fokontany. Nampilazana koa ny ben’ny tanànan’i Vilihazo ary dia samy nandeha nizaha teny an-toerana ny rehetra. Tonga ny rehetra ka tamin’izay vao fantatra fa fasana telo no indray nisy namaky. Nojerena ka lasa avokoa ny taolan-dava rehetra tamin’ireo razana. Ny karandoha sisa navelan’ireo mpangalatra. Avy hatrany moa dia samy nandray ny handraikitra tadrify azy ny tompon’ny fasana koa dia nofonosina ireo karana sisa tavela ary nampidirina am-pasana. Tsy nijanona teo anefa ny fahitana fasana vaky fa tokony ho 2 km niala an’i Vilihazo, fantatra koa fa nisy fasana iray vaky. Nojerena koa ny tao anatiny ka efa nakorotan’ireo mpanimbazimba ny razana rehetra. Voalaza fa ny faty maina ihany no nalain’ireto olon-dratsy ireto fa ny faty lena navelany teo.  Hatramin’izao, tsy fantatra ny fotoana marina namakian’ny sasany an’ireo fasana ireo. Efa nampandrenesina ny mpitandro filaminana.

r.s.

HIMO à Besarety : Une cinquantaine de jeunes mobilisés

0

Plus de 70% des quartiers de Besarety, en particulier ceux des secteurs I, II et III sont sous les eaux aux moindres gouttes de pluie. Principale cause : bouchage des canaux d’évacuation des eaux usées. Ainsi, les jeunes HVM ont mobilisé une cinquantaine d’individus, principalement des jeunes issus de Besarety, vendredi et samedi derniers. Ils ont effectué des travaux HIMO qui se sont traduits par le curage et le ratissage de ces canaux. Cela, pour gagner en retour 3 000 Ar par personne. Une initiative vue d’un bon œil par ces participants, surtout que 60% des habitants de Besarety sont des personnes défavorisées, à en croire Joseph Pascal Rakotonirina, représentant des populations locales.

Arnaud R.

Fetin’ny pasaka : Olona 217 no nentina tao amin’ny HJRA nandritra ny andro fety

0

Mavesabetra ihany ny tarahimarika fantatra raha mikasika ny loza nandritra ny fetin’ny paska no lazaina. Fantatra mantsy fa nahatratra 5 ireo olona namoy ny ainy ary 217 ireo maratra nandalo hopitaly Ampefiloha. Ho an’Antananarivo manokana  ireo, fa raha ny manerana ny faritra maro, voalaza fa mahery ny folo ny olona nindaosin’ny fahafatesana.

Mitana ny laharana voalohany hatrany ny lozam-pifamoivoizana. Nahatratra 54 ireo olona izay naratra ka nentina tao amin’ny sampana vonjy aina tao amin’ny Hjra tanatin’ny roa andron’ny fetin’ny Paska. Nanaraka izany ny ratra noho ny loza nitranga tao an-trano. Tsy vitsy ihany koa ny olona izay naratra an-dalambe izay matetika dia noho ny adiady no anton’izany. Nisy naiditra hopitaly tamin’ireo 14 izay notsaboina tao amin’ny hopitaly. Tao anatin’izay rehetra izay dia nisy olona iray namoy ny ainy. Izy io dia efa maty tamin’ny fotoana nahatongavany tao amin’ny toeram-pitsaboana ary ahiana ho fahatapahana lalandrà raha araka ny fanazavana, no anton’izany. Nihena kely io tarehimarika io raha oharina ny isa tamin’ny herintaona izay nahatratra 275 sy fahafatesana iray. Na izany aza anefa dia tsikaritra  no tao anatin’ny roa taona fa mitovitovy hatrany ny antony mitarika loza ho an’ny mpanao fety : ny lozam-pifamoivoizana sy ny adiady an-dalambe. Ny hamamoana no isan’ny antony mitarika an’ireo antony roa ireo. Omaly dia nisy tovolahy iray  voatifitra, efa tamin’ny 17 martsa lasa teo, tany amin’ny faritany ary nentina niakatra teto an-drenivohitra noho ny fiombon’ny aretina vokatr’izany. Teo amin’ny sandriny sy ny tratrany havia no tena voa mafy noho ny piti-bala. Nihombo ny aretiny ary atahorana ny hahazo ny vatany iray manontolo. Nanapa-kevitra ny nitondra azy niakatra aty an-drenivohitra ny fianakaviany mba ho fanavotana ny ainy. Naiditra hopitaly tao amin’ny Hjra ity tovolahy 16 taona ity.

D.R

Polibrèves

0

# Commémorations du 29 mars 1947 : Comme à l’accoutumée, les commémorations du 29 mars 1947 ont été effectuées – dans la capitale Antananarivo – à Ambohijatovo et au Mausolée national d’Andrainarivo. Hier a été l’occasion pour les actuels détenteurs du pouvoir et quelques personnalités politiques d’effectuer ce devoir envers la nation malgache.

# L’Exécutif malgache : Le Président de la République, Hery Rajaonarimampianina a rejoint la capitale Antananarivo pour accomplir le traditionnel dépôt de gerbes au Mausolée national d’Andrainarivo après l’avoir fait à Moramanga. Pour le Premier ministre Jean Ravelonarivo, ce dépôt de gerbes a été effectué devant la Stèle commémorative du mouvement de 1947, à Ambohijatovo. Cette cérémonie a été assistée par quelques personnalités politiques notamment les présidents du Parlement dont Jean Max Rakotomamonjy, président de l’Assemblée Nationale et Honoré Rakotomanana, président du Sénat. On a également noté la présence de l’ancien Chef d’Etat, Marc Ravalomanana.

# Parti Libéral Démocrate : Saraha Georget Rabeharisoa, présidente nationale du PLD, a également pris part aux commémorations du 29 mars. Pour cette année, la commémoration a été réalisée autrement. Le PLD a décidé d’arborer le drapeau malgache et de ne pas procéder au dépôt de gerbes.

# Alain Ramaroson : « L’intérêt du peuple Malagasy, les Malagasy d’abord, la francophonie après ». C’est le message d’Alain Ramaroson à l’issue du dépôt de gerbes devant la Stèle d’Ambohijatovo. Il n’a pas manqué de préciser que la date du 29 mars reflète un deuil national. De ce fait, les activités quotidiennes n’auraient pas du avoir lieu pour marquer ce deuil.

# RPMR : La nouvelle plateforme d’opposition RPRM ou Rassemblement des Patriotes Responsables et Amis de Madagascar pour la Refondation a été représentée par Joseph Yolande et Harinaivo Rasamoelina. Ces derniers, avec les membres de la plateforme, ont de même déposé des gerbes sur le pied de la Stèle d’Ambohijatovo.

Recueillis par Aina Hel-Bovel (Stagiaire)

Agrifarm : 5,5 millions de poussins chair à produire cette année

1
Agrifarm a également reçu de l’AFNOR, sa certification ISO 9001 : 2015, pour la production et la commercialisation de poussins chair d’un jour, pré-vacciné.
Agrifarm a également reçu de l’AFNOR, sa certification ISO 9001 : 2015, pour la production et la commercialisation de poussins chair d’un jour, pré-vacciné.
Agrifarm a également reçu de l’AFNOR, sa certification ISO 9001 : 2015, pour la production et la commercialisation de poussins chair d’un jour, pré-vacciné.

Un nouveau type de vaccin baptisé Super Mafonja Plus, destiné aux poussins chair, a été présenté par Agrifarm, la semaine dernière. Cette innovation devrait améliorer la productivité de l’élevage de poulet de chair.

150 000 poussins par semaine ! C’est la vente moyenne réalisée par Agrifarm, selon Olivier Fanchette, DG de la société. Une statistique qui donne une idée de la consommation de poulet dans la Grande île. Lors d’une présentation à l’hôtel Ibis, vendredi dernier, les promoteurs du nouveau vaccin Super Mafonja Plus ont indiqué que des innovations ont été réalisées, pour améliorer l’indice de la consommation, le poids moyen et réduire le taux de mortalité dans l’élevage de poulet de chair. « Nous avons lancé le vaccin Mafonja en  2012 ; ensuite le Super Mafonja en août 2014. Bien évidemment, ces deux premières générations présentaient des imperfections. C’est pour cela que nous avons conçu le Super Mafonja Plus, commercialisé la première fois le 23 février 2016. Des vaccins contre les maladies de New Castle, de Gumboro et de la bronchite infectieuse ont été disponibles auparavant avec Super Mafonja. Mais le Super Mafonja Plus est une version améliorée. Cette dernière version est mieux adaptée au contexte sanitaire de Madagascar et répond à l’attente des clients », ont annoncé les représentants d’Agrifarm.

Grande consommation. Avec le nouveau vaccin, les éleveurs d’Agrifarm atteignent une performance de 2,3 kilos en 37 jours, d’après les explications. De leur côté, les éleveurs témoignent que le taux de mortalité est également réduit. Même si les chiffres ne sont pas précis, il faut croire que la consommation de poulet de chair dans la Grande île avoisine les 48 tonnes par jour. Questionnée sur les craintes des consommateurs, quant à la consommabilité du poulet de la production industrielle, Vololona Rasoanaivo, responsable qualité auprès d’Agrifarm a avancé que des améliorations constantes sont apportées sur les poussins chair, pour que les produits des éleveurs soient sains et ne présentent aucun risque sur la santé. Les éleveurs, de leur côté, ont évoqué que comme tout produit, il faut consommer avec modération et considérer l’équilibre nutritionnel, pour maintenir une bonne santé. Dans tous les cas, avec le déclin de l’élevage bovin à Madagascar, la viande de poulet gagne du terrain sur le marché. Agrifarm prévoit même d’accroître de 2 millions d’unités sa production annuelle de poussins.

Antsa R.