Olona telo no voasambotra. Ary izany dia noho ny fisian’ny olona izay nanome vaovao mahakasika ny fikasàn’ny olon-dratsy hanaparitaka vola sandoka, no nahafahana namandrika sy nisambotra. Vola mitentina 18 tapitrisa ariary no sarona teny amin’ireo mpanaparitaka vola sandoka. Nogiazana avy hatrany izany. Ravim-bola izay roa alina ariary avokoa. Tao anatin’ny fanadihadiana no nahafantaran’ny polisy izay miandraikitra ny raharaha fa saika haparitaka mandritry ny andro fety no tanjona. Izany hoe ny fetin’ny paska izay iaraha-mahalala fa Antsirabe no voalohany be olona indrindra mandeha any mba hankalaza izany. Io indrindra no saika hanararaotana hamotsiana ireo vola. Tsotra ihany ny paik’adin’ny mpanao ratsy : ividiana zavatra kely ny vola sandoka dia ny fameriny izay vola tena izy izany lasa tombony avokoa. Soa anefa fa tsy tontosa izany tamin’ity indray mitoraka ity raha saron’ny polisy mialohan’ny fotoana izy telo lahy. Na izany aza mendrika mitohy ary miditra lalina ny fanadihadiana satria tsy maintsy misy olona miara-miasa sy miray tsikombakomba ao ambadik’izany. Toa ny hoe ny teknisiana mpamolavola ny ravi-mbola, ny toerana fanaovana printy izany sy ny sisa. Hatreto dia ny sazy mafy indrindra no miandry ny mpanao vola sandoka dia ny sazy an-terivozona mandram-pahafaty izany. Mila mailo hatrany ny mpivarotra eny amin’ny toerana izay be olona mifanaretsaka satria ireny no tena lasibatry ny fanaparitahana vola sandoka. Ireny tsena isan-kerinandro ireny, indrindra ny any amin’ny faritra; ireny fampisehoana ankamamanjana izay misy mpivarotra ireny, dia matetika handalovan’ireo olon-dratsy. Ilaina arak’izany ny fampianarana ny mpivarotra mba hahafahany manavaka ny vola sandoka amin’ny tena izy. Torak’izany koa ny tokony hatao raha sendra mahita olona mikirakira vola sandoka.
D.R