- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversParaky Ankadimbahoaka : “Cash point” notafihana efa-dahy nirongo basy

Paraky Ankadimbahoaka : “Cash point” notafihana efa-dahy nirongo basy

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray tetsy amin’ny tetezan’i Paraky, Ankadimbahoaka omaly maraina. Cash point iray teny an-toerana no lasibatra. Soa ihany anefa, tonga haingana ireo pôlisy ka tsy nahafahan’ireo olon-dratsy nahavita hatramin’ny farany ny asa ratsiny.

Ny mahagaga dia efa tena be olona ary amin’ny andro mazava no nanaovan’ireto jiolahy izany fanafihana izany. Tsy nisy tahotra akory na dia kely aza tamin’izy ireo raha nanantona ilay toerana fandefasana sy fandraisam-bola, ary nandrahona avy hatrany ilay ramatoa tao anatiny. Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso mantsy dia tokony ho tamin’ny sivy ora maraina tany ho any izy ireo no tonga. Ny roa nandeha tongotra ary ny roa nandeha môtô fotsifotsy. Nambanan’izy ireo ny antsy avy hatrany ilay ramatoa tao anatin’ilay cash point, raha ny hafa niezaka namaha ilay varavarana tamin’ilay cash point. Niantso vonjeo avy hatrany moa ity farany ary nitangorona ny olona. Nisy maromaro tamin’ireo tovolahy mikarama mitaona entana  sy mpiambina parking tsy lavitra teo avy hatrany dia niray hina handeha hanavotra ity tompona cash pointy. Tamin’io fotoana io anefa no nasehoan’ny iray tamin’ireto jiolahy ny basy teny am-balahany ary nandrahoana ny hitifitra ny lehilahy raha mbola misy manatona ireo fokonolona. Tamin’izay ihany koa no tonga ny pôlisy. Nitsoaka toy ny tsy teo izy ireo, tsy nahazo n’inona n’inona. Ilay iray nitondra môtô no nandeha nandositra voalohany, nihazo an’Anosy iny. Ireo telolahy kosa nitsoaka, nitsofoka teo Andrefan’i Mananjara. Tamin’ny fotoana nialànay teny an-toerana moa dia mbola teo am-panenjehana sy fanaovana sahavao ny manodidina ireo pôlisy. Araka ny fantatra teny an-toerana hatrany dia tsy vao izao no voatafika io “cash point” io fa efa imbetsaka ihany. Miisa roa izy ireo no saika ataon’ny jiolahy lasibatra foana eny an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici