Fantatra omaly nandritra ny fanadihadiana nataon’ny pôlisy ilay zandary nihetraketraka fa mpiambina ny lehiben’ny andrimpanjakana iray io farany. Toy izao ny tena zava-nitranga izay nijoroan’ny olona vavolombelona : niditra tao anaty parking ilay zandary izay nanao fanamiana sivily (…) tsy nanaiky ny fandaminana nataon’ny mpiambina fa io indray aza no nanapoahany basy (…) tezitra ny maro ka saika lasa fitsaram-bahoaka ny niseho. Omaly dia olona maro no tonga teo amin’ny biraon’ny polisy hametraka ny fitarainany momba ity mpitandro ny filaminana nihetraketraka ity. Samy naneho ny alahelony teo avokoa, saingy iaraha-mahalala ihany fa matetika rehefa mizotra any amin’ny fanonerana ara-bola dia nihavana daholo indray ny mpiantsehatra. Tsy nisy afa-tsy ilay zandary no tena nahazo tombontsoa, satria sady afaka tamin’izay mety ho raharaham-pitsarana izy no afaka tamin’ny mety ho fandroahana azy amin’ny asany koa. Tamin’ny voalohany dia saika vitany ny nampandry andrisa ny maro ny amin’ny filazany fa saika hisy hanendaka izy ka voatery tsy maintsy nampiasa basy. Tsy izay loatra anefa no tena nitranga fa endrika fanamparam-pahefana tao anaty hamamoana.
D.R