- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversParlemantan’ny tanora : Hitondra ny anjara biriky i Zamanifatakana Anthony

Parlemantan’ny tanora : Hitondra ny anjara biriky i Zamanifatakana Anthony

Cyrus Zamanifatakana Anthony Cyrus, anisan’ireo milatsaka ho kandida amin’ny parlemantan’ny tanora, hisolo tena ny faritra Analamanga , ary hitondra ny anjara birikiny amin’ny fiarovana ny tanora amin’ny zava-mahadomelina sy fampandrosoana an’Analamanga. 18 taona ny tovolahy ary mpianatra lalàna sy ny Siansa politika ao amin’ny Oniversité katolika. Zanaka manamboninahitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena sy mpanao gazety mpanao fanadihadiana lalina. Hitondra ny vina amin’ny fananganana fikambanana tantanin’ny tanora sy natao ho an’ny tanora isam-pokontany na farafaharatsiny amin’ny boriborintany, raha ho an’Antananarivo renivohitra, ho enti-miady amin’ny fihanaky ny zava-mahadomelina, toy ny Héroïne sy ny rongony na ireo karazam-panafody voarara, izay manimba sy mamono tanora , ka zary vato misakana ny fivelarana maha olona sy ny fampandrosoana. Fametrahana miaraka amin’ny tomponandraikitra ny politikam-paritra mahomby hanazarana sahady ny tanora ho sahy haka ny andraikitra tandrify azy na amin’ny sosialy, ekonomika, ary politika. Faharisihana handray anjara amin’ny fifidianana na hifidy na ho fidiana. Fanaovana ady sisika amin’ny raimandreny eto amin’ny Faritra sy ny firenena, hanome vahana ny tanora amin’ny fitantanana, ary hanome ny fiofanana mifandraika amin’izany. Miandrandra ny hitondra ny tetik’asany ho an’ny tanora i Zamanifatakana Anthony Cyrus.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici