Vary 50 gony, aron-tava 2.000, menaka anaty tavoahangy 120 litatra, ireo no natolotry ny fikambanana parlemantera nahitana ireo depiote avy eto Toamasina, notarihan’ny filoha lefitry ny antenimierampirenena eto Toamasina, Rtoa Bavy Angelica, izay natolotra ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM Toamasina, entina hanampiana ireo marefo eny anivon’ny fiangonana sami- hafa eto Toamasina. Tao amin’ny “maison des parlements” teny Mangarano II misy ny biraon’ny distrikan’i Toamasina no nanaovana izany fanolorana fanampiana izany. Nandray izany ny solon-tenan’ny FFKM Toamasina ny Mgr Solo avy amin’ny fiangonana Anglikana, notronin’ny governoran’ ny faritra Atsinanana, ary ny ben’ny tananan’i Toamasina renivohitra. Nandritra izany no nilazan’ny governora fa mangataka vavaka amin’ireo filoham-piangonana sy ireo mpino rehetra ny eto Toamasina, mba hentintsika mandresy miaraka ity valanaretina covid-19 ity; izay lasa tsy kapitaly ekonomika intsony i Toamasina, fa lasa kapitaly epidemika indray. Niangavy ny rehetra hiray hina sy hanaraka an-tsakany sy an-davany ny fepetra rehetra napetraky ny fanjakana amin’izao valanaretina izao ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM, satria tsy misy fomba mahomby hentina miady amin’izany valanaretina izany, raha tsy ireo fepetra ara-pahasalamana efa napetraka ireo ihany, indrindra fa ny fijanonana an-trano ho an’ireo tsy misy zava-dehibe tena atao ivelan’ny trano.
Malala Didier