- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversPatrick Raharimanana : Dimy taona sazy mihantona

Patrick Raharimanana : Dimy taona sazy mihantona

Nivoaka omaly ny didy mahakasika ity mpizara vaovao amin’ny tambajotra ity. Dimy taona sazy mihantona sy lamandy roa tapitrisa ariary. Ny fitsaràna ady heloka tsotra no nikirakira ny raharaha ary mahakasika ny famoahan’i Patrick Raharimanana ny fandaharam-potoanan’ny Filoha tamin’ny tambajotra sosialy no nanenjehana azy. Noraisina ho fanohintohinana ny filaminana anatiny koa izany. Mitovy amin’i Kamy Ndiamahazo (jereo lahatsoratra etsy akaiky), tsy ho afaka ny hamoaka vaovao « mafana » sy hiteny betsaka koa izany ny lehilahy mandritra ny taona dimy. Raha ny fantatra dia nikasa ny ho kandidà ho ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Mahajanga i Patrick Raharimanana. Nisy an’ity didim-pitsaràna nandoto « casier judiciaire » ity anefa dia mety tsy ho tanteraka indray izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici