- Publicité SW45 -
vendredi, mars 21, 2025
AccueilFaits-DiversPatrick Raharimanana : Vita ny tetsy Fiadanana dia nalefa eny Anosy indray

Patrick Raharimanana : Vita ny tetsy Fiadanana dia nalefa eny Anosy indray

Fanadihadiana roa sosona. Vita ny teny amin’ny zandary misahana ny fanadihadiana momba ny raharaha heloka bevava dia naterina teny amin’ny polisy misahana ny andraikitra mitovy indray ny tenany. Tapitra izany ny 48 ora fe-potoana azo itazomana amin’ny fonjakely tetsy Fiadanana dia nisokatra indray ny an’ny BC etsy Anosy. Ny alakamisy lasa teo raha tsiahivina no nanomboka notazomin’ny zandary i Patrick Raharimanana noho ny famoahana ny fandaharam-potoanan’ny Filoham-pirenena tamin’ny tambajotra sosialy. Izany dia mahakasika fitetezana distrika mandritry ny andro maromaro. Koa satria manana ny sampana miady amin’ny heloka an’habaka koa ny polisy dia azo heverina fa mbola io raharaha io koa no antony itazomana azy etsy Anosy. Fanindroany izay no nisy fisamborana mitovy amin’izao. Ny iray tamin’izany dia ilay fandefasana ny sarin’ny « bagage » an’ny Filoha izay nandeha fiaramanidina. Noraisina avy hatrany izany ho fanohintohinana ny fiarovan-tenan’ny filohan’ny Repoblika ary dia nosamborina na dia tany ivelany aza. Ny an’i Patrick Raharimanana indray dia azo heverina hiakatra fampanoavana tsy ho ela, raha tsy hoe tohizana ny 48ora hahafahana mitazona azy eo anivon’ny mpitandro ny filaminana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici