- Publicité -
samedi, mai 24, 2025
AccueilFaits-DiversPesta : Nahafaty olona fito tao Ambohimahasoa

Pesta : Nahafaty olona fito tao Ambohimahasoa

Tatitry ny zandarimaria no nahafantarana fa nisy olona fito matin’ny pesta tao amin’ny distrikan’Ambohimahasoa. Tao amin’ny fokontany antsoina hoe Andovoka sy Valozora, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Fiadanana raha araka ny fanazavana azo hatrany. Nampandrenesina avy hatrany ny tompon’andraikitry ny fahasalamana tao an-toerana. Misy ary tena misy eto amintsika ny pesta, izay any ivelany dia tsinjaraina ho toa ny aretin’ny fahiny (maladie du moyen-âge). Matetika dia ny haino aman-jery no lazaina fa mandainga mba entina hanakonana ny zava-misy ary misy hatrany ny valin-teny masiaka avy amin’ny tompon’andraiki-panjakana. Henatra ho an’ny firenana mantsy izany ary vetivety dia mampiverina ny mpizaha tany. Saingy na inona na inona lazaina, dia misy ny pesta ary mbola mamono olona eto amintsika, ary tsy tokony handaingana ny fisiany. Mitombo hatrany ny olana izay tsy maintsy harindra sy hitadiavana vahaolana maika, satria mahakasika avy hatrany ny fiainam-bahoaka. Isan’izany ny hain-tany, ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny loza ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro ary izao koa aza dia mananontanona ny horohorontany izay tsy hita loatra izay hanaovana azy satria tsy miankina mivantana amin’ny olona fa amin’ny natiora kosa. Ao anatin’izany rehetra izany ny delestazy izay nolazaina fa hiravona tsy ho ela, saingy rehefa nozohiana dia mbola mitohy hatrany. Vavolombelona amin’izany ny mpanjifa tsirairay avy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici