- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-Divers« Petite vitesse » : Mpatory an-dàlana hita faty vao maraina

« Petite vitesse » : Mpatory an-dàlana hita faty vao maraina

Omaly maraina tokony ho tamin’ny 9 ora teo, no nitranga’ity loza iray ity, teny amin’ny  Petite vitesse iny « Shalimar » . Araka ny vaovao voaray, dia rangahy iray sahabo eo amin’ny 40 taona eo no hita faty vao maraina teny an-toerana . Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana, fa efa   mpatory an-dàlana ity rangahy namoy ny ainy ity , izany no midika fa tsy manana trano  hatoriana na mba hialofana akory  izy.  Araka ny nambaran’ireo nanatri-maso, dia tsy nirakotra lamba efa hatry ny alina izy ity ary tsy nihinan-kanina ihany koa, fa dia natory tamin’izao,  niampy ny hatsiaka nandritra ny alina tontolo . Araka ny tombatomban’ireo nahita maso, dia diso noana loatra ity rangahy ity , teo ihany koa ny nanambara fa efa narary ihany  ny antoandro, saingy tsy nisy niraharaha , eny na dia ny hanao tsipaipaika ny hividy mofo kely mba hohaniny aza . Niampy ny tsy fatoriana ara-dalàna no tsy mba nitafy ihany koa na dia lamba firakotra iray aza. Izay no fantatra fa nahatonga azy ho namoy ny ainy toy izao. Fantatra fa mbola niankajo ara-dalana tsara ity rangahy ity  na ny ambony na ny ambany, saingy ny kapa teny an-tongony kosa no tsy itana  intsony teny aminy. Mbola tsy fantatra moa  hatreto izay tena  fianakavianity namoy ny ainy  hatramin’izao hoe aiza , fa ny teo anivon’ny BMH  kosa no efa nandray an-tànana ny fikarakarana ny razana. Betsaka ankehitriny ireo olona no mamoy ny ainy eny an-dàlambe. Toy ny tany Sambava, dia renim-pianakaviana mpivarotra ireny mofo mandehandeha ireny no maty ho azy teo am-pivarotana ny mofo,  izay tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy ity.

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici