Omaly maraina tokony ho tamin’ny 9 ora teo, no nitranga’ity loza iray ity, teny amin’ny Petite vitesse iny « Shalimar » . Araka ny vaovao voaray, dia rangahy iray sahabo eo amin’ny 40 taona eo no hita faty vao maraina teny an-toerana . Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana, fa efa mpatory an-dàlana ity rangahy namoy ny ainy ity , izany no midika fa tsy manana trano hatoriana na mba hialofana akory izy. Araka ny nambaran’ireo nanatri-maso, dia tsy nirakotra lamba efa hatry ny alina izy ity ary tsy nihinan-kanina ihany koa, fa dia natory tamin’izao, niampy ny hatsiaka nandritra ny alina tontolo . Araka ny tombatomban’ireo nahita maso, dia diso noana loatra ity rangahy ity , teo ihany koa ny nanambara fa efa narary ihany ny antoandro, saingy tsy nisy niraharaha , eny na dia ny hanao tsipaipaika ny hividy mofo kely mba hohaniny aza . Niampy ny tsy fatoriana ara-dalàna no tsy mba nitafy ihany koa na dia lamba firakotra iray aza. Izay no fantatra fa nahatonga azy ho namoy ny ainy toy izao. Fantatra fa mbola niankajo ara-dalana tsara ity rangahy ity na ny ambony na ny ambany, saingy ny kapa teny an-tongony kosa no tsy itana intsony teny aminy. Mbola tsy fantatra moa hatreto izay tena fianakavianity namoy ny ainy hatramin’izao hoe aiza , fa ny teo anivon’ny BMH kosa no efa nandray an-tànana ny fikarakarana ny razana. Betsaka ankehitriny ireo olona no mamoy ny ainy eny an-dàlambe. Toy ny tany Sambava, dia renim-pianakaviana mpivarotra ireny mofo mandehandeha ireny no maty ho azy teo am-pivarotana ny mofo, izay tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy ity.
FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)