
Mpanenantana sady tompon’andraikitra ao amin’ny radio iray no voafira antsy nandritra ny fanentanana podium mahakasika ny 26 jiona. Tranga nahoraka sy nampikorontana ny mpijery no niseho nandritra ny hetsika Podium 2026 notanterahina tao amin’ny distrikan’i Vavatenina. Raha mbola nandeha ny fandaharana sy ny fanentanana teny an-tsehatra, dia nisy olona iray voafira tamin’ny antsy teo anivon’ny hetsika. Araka ny vaovao voaray, dia isan’ireo mpanentana nandray anjara tamin’ny lanonana ilay naratra. Fantatra ihany koa fa manana andraikitra eo amin’ny fitantanana ny radiom-panjakana ao Vavatenina izy, ka vao mainka nahasarika ny sain’ny maro ity tranga ity. Niteraka ahiahy teo amin’ireo mpanatrika ny zava-nitranga, satria tao anatin’ny hetsika natao ho fankalazana sy fampifaliana ny vahoaka no nitrangan’izany herisetra izany. Tsy mbola nisy fanazavana ofisialy nivoaka momba ny anton’ny fifandirana na ny mombamomba ilay nahavanon-doza tamin’ny fotoana nanoratana. Nanameloka ny zava-nitranga kosa ny mpikarakara sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Nambaran’izy ireo fa tsy tokony hisy toerana ho an’ny herisetra sy ny fihetsika manakorontana mandritra ny hetsika ampahibemaso, indrindra ireo natokana hampivondrona sy hampifaliana ny mponina. Mandritra izany, maro ireo maneho firaisankina sy mirary fahasitranana haingana ho an’ilay naratra. Andrasana kosa ny valin’ny fanadihadiana sy ny fanazavana avy amin’ny manampahefana momba ny tena zava-nisy sy ny fepetra horaisina manoloana ity raharaha ity. Efa mandeha ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Isan’ny fanontaniana mipetraka ny hoe kakay ve no nitranga sa kosa zavatra hafa? Raha olona manentana eny ambony lampihazo mantsy tsy tokony dia misy inona loatra tokony horobaina aminy.
D.R





